Tsy mahabaiko ny governemanta indrindra fa ny minisitry ny seasera intsony ny Filoham-pirenena matoa io Minisitra io no mahavita manome baiko ny Talem-paritry ny tontolo iainana hitatitra andramena,
hoy Atoa Serge Zafimahova. Voafehy ve ny mpikamban’ny governemanta? Minisitry ny serasera ve dia hanoratra fahazoan-dàlana hahafahan’ny boaderozy mivezivezy ? Tokony hanantona ny Minisitry ny tontolo iainana, fa tsy manana zo hibaiko ny Talem-paritry ny tontolo iainana? Tena loza ary tsy fahaiza-mitantana eo amin’ny raharaham-panjakana. Tsy Filoha na Praiminisitra izy, ka afaka ny hibaiko ny rehetra. Ary ahoana raha ny Minisitry ny tontolo iainana no manome alalana hanokafana haino aman-jery, hoy hatrany I Serge Zafimahova. Ankoatra izay, nambarany fa tsy afaka miantoka ny fahombiazan’ny fitondram-panjakana ny fahabetsahan’ny teknisianina ao anaty governemanta. 4 monja no mpanao politika, dia ny Minisitry asa vaventy, minisitry ny mponina, minisitry ny serasera, minisitry ny tanora. Misy fetrany ny governemanta teknisianina. Mila traikefa ara-politika, fa tsy voatery politika. Ny olana ao ilay olona vao mianatra ilay asa politika maha minisitra azy. Olona tsy ampoizina foana, ary efa lesoka hatramin’ny Repoblika faharoa, raha ny nambaran’ity mpandinika raharaha ara-politika sy ara-toekarena ity. Asa aloha izay ho endriky ny fanovana governemanta ato ho ato, fa ny minisitry ny atitany dia efa nanipy teny fa noho izay antony izay no mahatonga ny fanenjehana azy .
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.