Ao anatin’ny savorovoro eo amin’ny sehatry ny fitaterana sy ny fiovaovan’ny vidin-tsolika dia mihevitra i Serge Zafimahova fa tsy tokony hanana olana amin’ny resaka angovo isika.
Ampy amin’ny filàna ao an-tokantranon’ny Malagasy ny angovo fa tsy fananana vina hampiroboroboana azy no olana, hoy izy. “Azontsika atao tsara ny mitrandraka ny angovo avy amin’ny riandrano, ny arina ary ireo angovo madio”. Ilaina ny manana ilay jery lavitra araka ny soso-keviny satria ry zareo Alemana izao efa mitodika amin’ny famokarana fitaovana mandeha amin’ny “hydrogène” fa tsy mionona amin’ireo angovo mahazatra fotsiny. Nasiany resaka koa ny tamberimbidy alaintsika amin’ny harena ankibon’ny tany izay manodidina ny 1 ka hatramin’ny 2% monja.
Raha ny firenena hafa eo anivon’ny SADC dia 5 hatramin’ny 15% no tamberimbidy alainy. “Misy mpitondra milaza fa fenitra iraisam-pirenena ilay 1 hatramin’ny 5% izay tsy mitombina velively. Na tsy fahazaina no ilazany izany na fikatsahana tombontsoa samirery amin’ny alalan’ny «commission» na vodiondrim-barotra azo amin’ireny orinasa mpitrandraka ireny. «Amiko dia tokony hisy sazy ho an’ireny mpitondra miteniteny foana ireny. Tokony hanaja tena miala koa rehefa tsy mahay e”, hoy hatrany i Serge Zafimahova.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.