Politique

Serge Zafimahova “Ny HCC no manome vahana ny tany tsy tan-dalàna”


  • Alakamisy 08 Oktobra 2020

Ny HCC no tena mametraka ny tany tan-dalàna amin’ny fitsipi-dalao fanajana ny lalàmpanorenana, kanefa ny HCC no voalohany tsy manaja izany, hoy Atoa Serge Zafimahova Mpandrindra ny vovonana Dinike omaly,

 tamina onjam-peo iray. Tsy misy izany Governora izany, ohatra, ao anatin’ny lalàmpanorenana, fa Lehiben’ny Faritra kanefa kanefa lazain’ny HCC fa mety ilay governora. Misy lalàna maro tsy voahaja ao anatin’io lalàmpanorenana io. Indraindray tsy menatra mihitsy manao zavatra mifanipaka, ka olana be ny fomba hampianarana ny mpianatra ny lalàna ankehitriny. Ahoana ny hametrahana ny tany tan-dalàna amin’izany zavatra rehetra izany? Nambarany fa io no mahatonga ny olona tsy maharesy lahatra an’I Madagasikara amin’ny fampisam-bola. Isika mieritreritra hoe samy manao ady Gasy kanefa misy fiantraikany amin’ny sehatra iraisam-pirenena io. Ny olona tokony hitondra vola aty Madagasikara tsy mahatoky. Ny orinasa lehibe tsy misy an’izany tsaraina eto Madagasikara izany ny fifanolanana, fa any ivelany. Mikasika ny fifidianana loholona dia olana ny tsy fisian’ny Filohan’ny Faritany. Efa olana tamin’ny fifidianana loholona 2015, efa notenenina fa tsy mety. Ao anaty lalàmpanorenana no misy fa tsy notanterahina. Misy lehiben’ny faritany ve eto Madagasikara? Tonga dia faritra, distrika, kaominina. 22 ny faritra, lasa 18 anefa ny kaominina. Iza izany ny faritra ho voasolo tena sy tsy ho voasolo tena? Misy miteny hoe na roa aza io mety, saingy aza hamoramoraina ohatr’izany fa ho sarotra io, hoy I Serge Zafimahova. Notsiahiviny fa ny fepetra tetezamita ao anatin’ny lalàmpanorenana no milaza ny fifidianana loholona voalohany ihany tamin’ny 2015, no nilaza fa tokony hanao fifidianana aloha isika, dia ny Lehiben’ny faritany, faritra,... izay tokony ho olom-boafidy fa tsy olom-boatendry.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT