Adihevitra diso ny fanitaran-dresaka mikasika ny Institut Pasteur de Madagascar na IPM ,satria samy frantsay, izany hoe miara-miasa, na ny IPM na ny Centre d'Epidemiologie Charles Mérieux,
hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Serge Zafimahova raha nivahiny tao amina fahitalavitra tsy miankina iray izy omaly. Efa nisy fanadihadiana ao anatiny ka raha nisy tsy fahatomombanana tao dia hipoitra. Rafitry ny firenena mikambana daholo na ny OMS na ny banky iraisam-pirenena na ny CNUCED sy ny hafa rehetra, hoy izy. Tsy hay ihany koa izay tian’ny firenena mikambana hahatongavana amin’ny tale jeneralin’ny OMS izay hany tokana afrikanina tale jeneralina rafitra ao amin’ny ONU ka mila mitandrina isika mba tsy ho lalaovin’ny olona, hoy izy. Variana amina adihevitra tsy dia tena mitondra mankaiza isika. Io izao misy olona matin’ny Dengue, ny Tazomoka efa nolazain’ny minisiteran’ny fahasalamana tamin’ny tapa- bolana fa namono olona 487 isa nanomboka ny janoary no nankaty, sao dia any no tokony hitodihan’ny fanampiana bebe kokoa. Efa notiliana Coronavirus ve ireny ? Lasa serasera politika no atao fa tsy fiarovana ny fahasalamam-bahoaka , hoy izy.Ary mba aiza moa izao ilay komity siantifika lazain’ny minisiteran’ny fahasalamana fa hoe hajoro, hoy i Serge Zafimahova namehy ny fanehoan-keviny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.