Politique

Serge Zafimahova “Akaiky ny fipoahana ara-tsosialy”


  • Zoma 10 Jolay 2020

Olana be rehefa mihiboka na ekena aza fa misy ny aretina. Tokony hisy fandinihina ara-stratejika bebe kokoa ataon’ny mpitondra fa efa tsy tafavoaka intsony ilay izy satria efa miha manakaiky foana ny fipoahana ara-tsosialy.

Vahoaka noana no hiteraka an’izay fa tsy hoe zavatra hafa, ary lainga raha ny lazaina fa ny mpanao politika no hitarika an’izany satria tsisy mpanao politika mahazaka vahoaka intsony eto izao, hoy Atoa Serge Zafimahova mpandinika ara-toekarena. Noana ny olona, mivezivezy ny fanahy. Ny seha-panjakana no miasa, ary androany dia ny mpiasam-panjakana no tsy misy olona, fa ny sehatra tsy miankina efa ela no ao anatin’ny fahoriana. Efa betsaka ny nampidina ny karaman’ny mpiasany ka nisy ny 25%, nisy nampidina 50%, ao ny efa nampiato mpiasa, fa ao ihany koa no efa nandroaka mpiasa mihitsy. Rahampitso dia tsy maintsy hitady asa ny olona. Ny an’ny sehatra ara-dalàna izany, fa ny an’ny sehatra tsy manara-dalàna na “informel” dia mamelona olona hatrany amin’ny 10 tapitrisa. Ny antsika izao raha mamaky ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFR), ho an’ny fizahantany dia 40 000 ny asa voakasika sy lasibatra ka 300 000 asa tsy mivantana ka io tsy mivantana io dia tafiditra ao anatin’ny tsy ara-dalàna. Ny mahagaga amin’izao dia tsy mbola nisy ny minisitera nanao tombana mahakasika ireo sehatr’asa tsirairay lasibatra hatreto, hoy hatrany Atoa Serge Zafimahova.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT