Tsy misy hevitra hivoahana eto afatsy amin’ny seranam-piaramanidina sy ny seranantsambo ofisialy na tsia. Isan’ny noresahan’Atoa Serge Zafimahova ao anatin’ny tatitra sy fanadihadiana “Crise sanitaire coronavirus à
madagascar:changement de paradigme pour le développement ” ny herijika goavana tokony hananan’i Madagasikara amin’ny lafiny toekarena, saingy mbola tsy haintsika no mitrandraka azy hahasoa ny firenena. Mahatratra 700 tapitrisa dolara isan-taona ny sandan’ny trafikana vato sarobidy avy eto Madagasikara. Ny taona 217 dia 2.833 ny volamena naondrana ofisialy, kanefa ny 338.674.656 Ar ny vola taferina teto izay vidina volamena 10,768 kg izay zara raha manome ny 0,38% tamin’ny naondrana. Ny taona 2018 dia 3051,7 kg no voalaza ofisialy fa naondrana , kanefa 84.016.613 Ar no tafaverina teto izay mifandraika amin’ny vidin’ny 1,220Kg izay manome 0,04% tamin’ny naondrana rehetra. Nambaran’I Serge Zafimahova, fa ny loharanom-baovao azo antoka avy amin’ny matihanina sy tompon’andraikitra amin’ny sehatry ny volamena dia nahalalana fa 12 hatramin’ny 20 taona isan-taona ny trafikana volamena eto. Ny WGC (Conseil Mondial de l’or) rahateo dia maneho fa 14,5 taonina ny volana novokarin’i Madagasikara ny taona 2018, ka isika no firenena faha-37 maneran-tany mpamokatra volamena sy faha-15 eto Afrika ary ao alohan’i Nigéria. Mahatratra 500 hatramin’ny 700 tapitrisa isan-taona na mihoatra ny trafikan’ny harena an-dranomasina eto,...
NY TENA LAHARAM-PAHAMEHANA
Faha-49 amin’ny firenena 54 aty Afrika i Madagasikara, izay firenena Afrikanina tsy tao anaty ady, kanefa any amin’ny rambony eo anatrehan’ny lanja goavana na ara-karena na arak’olona ananatsika. Mila mahay mijery ny laharam-pahamehana ny mpitantana, mila jerena ny fanabeazana ka homena vahana ao anatin’izany ny fahalalana mikasika ireo harena voajanahary azo havaozina sy tsy azo havaozina. Na teo aza, ohatra, ny kabary hoenti-mampiroborobo ny fikarohana zava-maniry momba ny fitsaboana amin’izao ady amin’ny covid-19 (IMRA, CNARP,…), ny R&D (Recherche & Développement), dia zara raha 0,97% amin’ny tetibolam-panjakana. Mila fandinihana lalina sy fanavaozana ny lamina sy rafitra ara-toekarena eto Madagasikara, ary fotoana izao zavatra iainantsika ny krizin’ny covid-19 miantraika amin’ny toakarena sy sosialy izao ahafahantsika mandinika sy mamadika ny fahalemana ho herijika, raha fintinina ny fanadihadiana sy tatitra nataon’Atoa Serge Zafimahova, izay miompana amina lohahevitra maro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.