Politique

SEMPOTRA NY VAHOAKA HO ZAVA DOZA RAHA MITROATRA


  • Zoma 15 Aprily 2022

Sempotra tanteraka tsy misy iantsapazana ny vahoaka Mihasarotra andro aman’alina ny fiainana, miha midangana hatrany ny vidim-piainana, tsy mahavaha olana ny Fanjakana,...

 Ambony ny risika hisian’ny fipoahana, ary efa manomboka misy manandrakandrana kanefa mbola herintaona tsy hahatongavan’ny fifidianana isika izao. Ny hetsi-pitakiana samihafa efa tsy vaovao intsony: vatsim-pianarana, karaman’ny mpiasam-panjakana tara, tambin-karaman’ny mpampianatra mpikaroka, volan’ny orinasa nanao làlana sy asa vaventy,… Miantehitra amin’ny herim-pamoretana sisa ny Fanjakana hany ka izay olana sy fitakiana miseho dia fampiasan-kery “résolution par la forcé” aloha no lohalaharana fa sisa manaraka eo ihany. Ekena fa misy ireo sarintsarim-pampandrosoana hoentina manao serasera, saingy ambony ambany ny fiainam-bahoaka amin’ny ankampobeny. Sarotra ny hisian’ny fahagagana, raha tarafina amin’izay telo taona sy tapany nahazoana ny fahefana izay. Ny vidim-piainana sy fahantrana mihalalina, kanefa ny mpitondra mbola be afera sy kolikoly, ny velirano maro no tsy tanteraka ary iny efa nisy namoaka iny fa zara raha 11,54% tamin’ny nolazaina no vita, mbola mahavita manangam-pahavalo misambotsambotra sy managadra olona,… Raha i Andry Rajoelina sy ny olony no iharan’ny tahaka izao, azo antoka fa efa nitarika olona handrodana fitondrana sy nilanja vatam-paty teny Analakely indray. Manomboka todian’ny natao anefa izy ireo amin’izao, efa betsaka no tofoka tanteraka. Ho henjana ny miandry aoriana ao, ho sarotra ny raharaha, indrindra fa mbola misy ny kajikajy ara-politika sy ara-pifidianana hibodoana fahefana. Efa manomboka milalao saim-bahoaka fa mbola ho lany amin’ny isam-bato 53%, ary misy olon’ny fitondrana aza dia sahy miteny fa 60% mihitsy io. Efa hatramin’ny 2009 no nahalalana an-dRajoelina sy ny ekipany tamin’ny fampanantenana ronono an-tavy tahaka ny vary 500Ar ny kilao, menaka 2500Ar,… fa aiza isika izao ?
AIZA NY VAVA BE TAMIN’IZANY
“Tena azo tsapain-tànana ny risika hisian’ny fipoahana ara-tsosialy, raha io zavatra mitranga amin’ny fiakaran’ny vidin-javatra io. Tsy ho zakan’ny vahoaka intsony izany taksibe ana 500Ar miampy ny fiakaran’ny vidin-tsolika dia mitarika “inflation générale” na fiakaran’ny vidin’entana amin’ny ankampobeny. Ny vidim-bary efa 2000Ar eny an-tsena, manampy trotraka izay anefa tsy mitady vahaolana ny Fanjakana amin’ny resaka delestazy, fahatapahan-drano, ny tsy fandriampahalemana tsy resahina intsony », hoy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy ny 02 febroary 2017, raha nivoy ny fipoahana ara-tsosialy, ary nitabataba sy ny fahalalana maneho hevitra sy niantso ny famelana ny olona hidina an-dalambe. 5 taona aty aoriana. Raha nodradradraina ny vidim-bary 2000Ar dia ohatrinona izy izao? Aiza ilay teny famendrofendroana nataon’ny Filoha ankehitriny raha nanontany ny vidim-bary hoe: 600Ar ka nilazany fa lafo anie izany? Moa nihamora ny vidim-piainana ?
Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT