Politique

SEMPAMA Vakinankaratra Tratry ny famindran-toerana avokoa ireo mpitarika


  • Alakamisy 27 Septambra 2012

Miala fa manelingelina ! Tsy namelan’ny FAT raha tsy tanteraka ny famindran-toerana ireo mpitarika ny SEMPAMA Vakinankaratra, ary dia nokendrena amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao mihitsy ny fandefasana azy ireo.

Efa nahoraka be ity resaka ity teo aloha saingy nialan’ny tompon’andraikitra hatrany. Nolazain’izy ireo fa tsy hisy izany. Voaporofo anefa ankehitriny ny fanatanterahana azy satria raha ny voalaza dia ny datin’ny 09 jolay teo no nivoahan’ny fanapahan-kevitra fa izao vao nampahafantarina ireo voakasika. Raha ny angom-baovao ihany dia ireo mpitarika tao amin’ny Cisco Antsirabe I sy Antsirabe II no tena voakasika sy voa mafy. Saika ireo sefo ZAP avokoa izany. Ho an’ireo tao Antsirabe I dia misy mihitsy no nafindra ivelan’ny DREN Vakinankaratra ny famindrana.
 
Ankoatra izay dia nirorona ihany koa ny kilasin’izy ireo ka miverina ho mpampianatra tsotra any amin’ny toerana hifindrany any. Efa fantatra koa ireo hisolo ny toeran’izy ireo. Araka ny loharanom-baovao ihany dia mpampianatra FRAM vao noraisin’ny fanjakana farany teo ny sasany amin’izy ireo. Nambaran’ireo sendra ny gazety Tia Tanindrazana moa fa tsy alahelon-toerana ny an’ireto mpampianatra ireto fa ny ambadika politika ho famotehana ny fampianarana no mampalahelo azy ireo.
 
Misy toerana efa tsy misy mpiasam-panjakana akory ny sasany dia ialan’ilay mpampianatra voatendry ho Sefo Zap vaovao, ary eo ihany koa ny fidiran’ny resaka politika tsotra izao amin’izao famindran-toerana izao. Ny nanaitra azy ireo dia ny hoe : “vao sikilaonina iny fa mbola ho avy ny tsunami”. Mampanahy azy ireo ny mety ho tohin’ity resaka ity fa mety ho famotehana tanteraka ny fitakiana ataon’izy ireo. Na izany aza dia nohamafisin’ireto mpitarika nahazo famindran-toerana ireto fa ho azy ireo dia tsy mijanona ny tolona ho famerenan-kasina ny fampianarana. Nezahina moa ny nitady fanazavana tamin’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Antsirabe saingy tsy azo mihitsy izy, izay nanao sonia izany famindran-toerana izany. 
 
Caïus Raharison
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT