Politique

Sekretera jeneralin’ny TIM Nosoloina an’i Mamy Rakotoarivelo i Ivohasina Razafimahefa


  • Talata 30 Novambra 2010

Manomboka izao dia i Mamy Rakotoarivelo no Sekretera jeneralin’ny antoko Tiako I Madagasikara. Izay no fanendrena vaovao eo anivon’ity antokon’ny filoha Marc Ravalomanana ity.

Depiote TIM voafidy tao amin’ny boriborintany fahatelo i Mamy Rakotoarivelo. Efa Kestora teo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Filohan’ny Kongresin’ny Tetezamita, araka ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba. Izy izany no misolo toerana an’i Ivohasina Razafimahefa, noho ny tsy fahafahan’ity farany intsony mamita antsakany sy andavany izany andraikitra izany, izy rahateo tsy eto an-toerana nefa ny antoko miatrika ny fiainam-pirenena. Notendrena ho mpanolotsaina ao amin’ny antoko ihany koa Atoa isany Rolland Ravatomanga, Stanislas Zafilahy ary Jules Randriamaholison. Mpikambana avy hatrany ao amin’ny Birao Politikan’ny antoko Tiako I Madagasikara izy ireo ; izany dia araka ny voarakitry ny taratasy fanapahana noraisin’ny Birao politikan’ny antoko ny 13 novambra 2010 ary soniavin’ny filoha nasionaly, Yvan Randriasandratriniony. Tsy eto an-toerana koa moa ity farany, fa any Etazonia taorian’ireny raharaha nafampana teto Madagasikara ny 2009 ireny.

Ankoatra izay dia nohamafisin’ny taratasy fa mihantona tsy mpikambana eo anivon’ny Birao politikan’ny Tiako I Madagasikara ry Raharinaivo Andrianatoandro, Kembazanany Annick, Dina Jeannne ary i Tsiandopy Jacky Mahafaly. Mihantona amin’ny rafitra rehetra eo anivon’ny antoko ihany koa ireo olona rehetra nanaiky hiditra amin’ireo rafi-panjakana najoron’izao fitondrana niainga tamin’ny fanonganam-panjakana izao. Araka ny votoan’ireo fanapahana roa nivoaka io 13 novambra io dia tsy hijanona ny fanapahan-kevitra mikasika ireo olona tsy nanaja ny fitsipika anaty ireo fa mbola ho avy ny fampiharana ny fepetra famaizana araka ny voatondron’ny sata mampijoro sy ny fitsipika anaty mifehy ny Tiako I Madagasikara.
 
Mazava amin’izao fa ny hanomezana aina indray ny antoko no anton’ity fanapahan-kevitra ity, rehefa nandalo fisedrana samihafa, indrindra taorian’ny nisintahana ka niforonan’ny elatra Raharinaivo. Midika koa izao fa dia miomana hiatrika fifidianana ny Tiako I Madagasikara, satria na ho ela na ho haingana hivaha ny krizy, ka any amin’ny latsa-bato indray mifanazava ny rehetra.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT