Politique

SEG nanao fanambarana politika Porofo fa efa miharatsy ny toe-draharaha…


  • Alakamisy 04 Aogositra 2022

Nandeho hevitra momba raharaham-pirenena ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena Jeneraly Serge Gellé. "Efa samy nampiasa anay zandary avokoa hatramin'ny andron'i Ratsiraka Didier,

fa ny tsy azo ekena ary tsy ho ekeko velively dia ny fikasana hanongam-panjakana; raha tsy tiana ny mpitondra dia ampiasao ny rafitra demokratika: Antenimiera, HCC,.. fa tsy fanakorontanan eny an-dalambe satria te hanongana, ary aza adino fa misy koa ny tsy te hanongana", hoy ny SEG. Somary fanehoan-kevitra ara-politika io amin’ny lafiny iray, ary rehefa ny manamboninahitra ambony ao anaty fitondrana no manao fanambarana politika tahaka izany, dia efa miharatsy izay ny fandehan-draharaha, miha tsy marin-toerana ilay Fanjakana. Efa tsy voaaro amin’ny alalan’ny asa sy famahana olana, fa miantehitra kokoa amin’ny manam-basy ? Sarotra ny miaro io Fanjakana io ! Fampahatsiahivana no atao, fa raha resaka fanonganam-panjakana, tsy tonga amin’izao toerany izao i Andry Rajoelina raha tsy nanao izany ny 2009, raha tsy nanozonggozona fitondrana ny 2018,... Isan’ny nanamarika ny toe-draharaha politika ny tranga teny amin’ny Kianja Magro ny 23 jolay lasa teo. Rehefa tena zohiana, ny Fanjakana izay mampiasa ny mpitandro filaminana ho herim-pamoretana no nanosika ny olona ho eny an-dalambe. Resaka fanakorontanana eny an-dalambe anefa no resahin’ny SEG ka moa ve tsy ny mpitondra mihitsy no mitady izany raha raisina amin’ireny? Ny olon’ny fitondrana afaka manao izay tiany hatao, raha tsy hilaza afatsy ny filaharam-be hatreny an-dalambe tany Antsiranana ny 7 may, nitohy tany Tsiroanomandidy izay afaka nanao izay tiany hatao, ny tetsy amin’ny Kianja Mitafon’i Mahamasina sy teny amin’ny kianja maintson’Atsonjombe,… Ny mpanohitra voarara na aiza na aiza aleha, olona handeha hanao “redynamisation” any anaty faritra mifefy no sakanana fa tsy ho eny an-dalambe dia tondroina ho mikatsaka fanonganam-panjakana. Ny valin-kafatry ny mpanohitra toy ny an’ny Filoham-panjakana iray teo aloha sy ny sekretera jeneralin’ny antoko iray, samy naneho eo anatrehan’ny fiventesana lava fa hanongam-panjakana ny mpanohitra dia ny hoe: ianareo no efa zatra manongam-panjakana, ka mahana tsy henjehina. Lasa fanaovana andrimaso ny mpanohitra no laharam-pahamehana voalohany eto. Adala ve ny filohana andrim-panjakana iray misahana ny resaka tany tan-dalàna sy fampanjakana ny demokrasia milaza fa tena mihemotra isika eo amin’io lafiny ary tokony homena alalana ny rehetra rehefa mahafeno fepetra ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT