Politique

Sefom-pokontany soloina IRD Fikotrehana hala-bato, tahotry ny tsy ho lany…


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2022

Akaiky ny fifidianana, mandeha ny kajikajy isan-tsokajiny hanoloana ireo sefom-pokontany ho olon’ny volomboasary. Isan’ny efa naneho ny depioten’i Toamasina voalohany Roland Ratsiraka,

fa isan’ny kotrehina hatao fitaovana amin’ny hala-bato ny sefom-pokontany, ka isan’ny noresahiny tamin’izany ny ao Toamasina. Ho an’ny eto Antananarivo, ireo solombavambahoaka IRD no voatonontonona ho ao ambadik’izany kajy izany, toy ny teo anivon’ny boriborintany fahadimy sy ny boriborintany faharoa. Sefom-pokontany manodidina ny 20 no kotrehina hosoloina eo anivon’ny Boriborintany faharoa, saingy ireny niaraha-nahita ireny ny fanoheran’ny fokonolona toy ny teny Manakambahiny, Ambanidia,… Tsy eto Antananarivo ihany, fa hatrany amin’ny faritra. Sefo fokotany 6 sy lefitra 8 nosoloin’ny Prefe olona hafa fa naverin’ny "tribunal administratif " aminy asany tany Antsiranana. Raha ny fampahafantarana, namoaka “arrêté” ny Prefektiora tao Antsiranana ny 25 jolay ka nampihato ny asan’ny sefo-fokotany 8 sy lefitra 6 .Tsy niandry ela fa avy hatrany dia nanendry sefo fokotany sy lefitra vaovao moa ny Prefe ao Antsiranana, saingy notsipahin’ny fitsarana ho tsy ara-dalàna. Mitovy tsy misy valaka aminy zava nisy teny aminy Boriborintany faha 5 sy faha 2, izay olom-boafidy no voatonona ho manao ny fanesorana sy fanendrena sefo fokotany vaovao, fa ny pitsopitsony araka ny lalàna fotsiny sisa no anjaran’ny Prefe. Raha mampahatsiahy ny lalàna, voalazan’ny andininy faha- 05,06 amin’ny didim-panjakana 2009-890 izay ny tetezamita notarihin-dRajoelina tamin’ny 2009, fa azon’ny Lehiben’ny distrika atao ny mampiato sefo fokotany amin’ny asany ka manendry sefo fokotany, saingy kosa aorinan’ny fanaovana fifidianana, ka izay voafidin’ny maro an’isa no tendrena amin’ny alalan’ny didy avoko. Ny sary miseho, dia toa lasa baikoan’ny mpanao politika volomboasary ny Prefe izay tompon’andraikitra ara-panjakana ambony tokony tsy hitanila, lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana no maneho fa iantohan’ny Fanjakana ny tsy fitanilan’ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny politika, saingy ny sary miseho ankehitriny, dia maneho mivantana na ankolaka fa kotrehin’ny IRD-MAPAR ho amin’ny tombotsoa politikany hatrany. Ny tantara rehetra teto anefa, tsy mahomby, ary tsy ahafahana miaro seza ny fandrafokafana loko politika ny sehatra sy ny seza rehetra. Nandalo teo ny Arema, TIM, HVM,… izay azy avokoa ny 80 hatramin’ny 90% amin’ny andrim-panjakana, ny olom-boafidy izay tsy azy mbola nalainy, saingy tsy voatazony ny seza. Tsy misy ny fifandanjan-kery ara-politika, tsisy arofanina, hany ka vao mainka nianjera. Efa manara-dàlana izany ny volomboasary ankehitriny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT