Maro ny fitarainana tonga teny amin` ireo ambaratongam-pahefana isa-tsokajiny momba ny tsy fahatomombanana ny fitsinjarana ireo fanampiana avy amin` ny fitondram-panjakana.
Voatondro molotra tsy mahavita ny asany, araka izany, ireo sefo fokontany. Taorian` ny fidinana ifotony nataon` ireo sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny dia nahitana tsy fahatomombanan-draharaha sy tsy fandraisana andraikitra avy amin` ireo sefo fokontany. Torak` izany ihany koa ny kolikoly, kitranoantrano ary fanavakavahana. Lesoka mampibaribary ny tsy fahaizana mitantana eny anivon` ireo fokontany tokoa ireo. Raha ny tatitra avy amin` ny prefen` Antananarivo dia ny zoma lasa teo ihany dia efa maro ireo sefo fokontany nesorina tamin` ny toerany. Tsy mbola voafaritra aloha ny isan` ireo sefo fokontany nesorina hatreto saingy ahiana hitombo isa hatrany izany aoriana ny fanadihadiana samihafa. Raha ny fanazavana nataon` ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana dia aorian` ny krizy ara-pahasalamana vao mety hisy ny fifidianana sefo fokontany. Noho izany, mety ho tendrena avy hatrany ireo mpisolo toerana satria tery ny fotoana. Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.