Politique

Sefo fokontany boriboritany fahadimy “Melohinay ny fanosoram-potaka an’i Naivo Raholdina”


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2022

Nanao fanambarana ny sabotsy teo ireo sefo fokontany miisa 27 sy ny lefiny ao amin’ny boriboritany fahadimy fa tsy mitombona ny filazan’ny solombavambahoka,

Fetra Ralambozafimbololona, teny amin’ny CCI Ivato fa ny sefo fokontany rehetra dia maka vola mihoapampana amin’ny fanaovana taratasy fa io sefo fokontany iray an’Analamahitsy tanàna, Randrianantoanina Ny Andrianina ihany no saonjo iray lohasaha tsy ilaozan’izay hamarara tsy nanara-dalana izany ka rehefa nataon’ny tomponandraikitra ny fanadihadiana rehetra dia izao izy natsahatra tamin’ny asany izao. Rehefa nanao fanadihadiana tamin’ny fokontany hafa miisa 26 ny tomponandraikitra dia nahita fa tsy nisy nahitana izany fakana mihoam-panpana izany ny fokontany hafa, hoy ity fanambarana ity. Rehefa nandeha niala sasatra tany am-pitan-dranomasina io sefo fokontany Analamahitsy tanàna teo aloha io dia naverin’ny fokontany ilay vola 600.000Ariary nalainy tamin’ny rahalahin’ny solombavambahoaka, Fetra Ralambozafimbololona, ary misy taratasy ara-dalana izany. Tsy mitombona ihany koa ny filazana fa notazonin’ny solombavambahoaka, Naivo Raholdina, ny telefaoniny nandritra ny fivoriana farany niarahana taminy sy nanaovana herisetra azy fa izahay sefo fokontany rehetra mivory miaraka amin’ny solombavambahoaka, Naivo Raholdina, dia mamono finday avokoa dia mametraka avokoa eo amin’ny mpitandro filaminana sy mpitan-tsoroka na “assistant” ary manao fanamarinam-pahatongavana ka rehefa vita ny fivioriana dia samy maka ny telefaoniny avokoa izay mivoaka amin’ny toeram-pivoriana ka tsy mbola nisy telefaonina very na notazonina nandritra izay taona maro naha sefo fokontany anay ka niarahana nivory tamin’ny solombavambahoaka Naivo Raholdina. tsy nisy koa ny fifamaliana tamin’izy mirahalahy na resaka hafa manokana teo amin’izy mirahalahy ankoatran’ny fampahafantarana ampahibemaso ny fitoriana azy teny anivon’ny fiadidiana ny repoblika ary hamafisinay vavolombelona fa tsy ny solombavambahoka no mitazona telefaonina rehefa mivory izahay fa ny “assistant” na ny mpitandro filaminana no mitazona izany. Melohinay ny fanosoram-potaka sy filazana vaovao tsy marina ahely amin’ny tambazotran-tserasera samihafa handotoana ny solombavambahoaka Naivo Raholdina amin’ny zavatra tsy mitombina. Lavinay ny fanambaran’ny solombavambahoaka, Fetra Ralambozafimbololona, fa ny sefo fokontany rehetra dia maka vola mihoam-pampana tahaka ny nataon’io sefo fokontany Analamahitsy. Ambaranay fa tsy mpikambana ao anatin’ny fokontany 27 intsony ny sefo fokontany teo aloha izay efa natsahatra tamin’ny asany ary tsy tomponandraikitra amin’izay ataony izahay ary tsy miaro azy ihany koa aminin’izay heloka vitany tany, hoy hatrany ity fanambarana voaray ny sabotsy teo ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT