Politique

SeFaFi “Solombavambahoaka, inona marina no ilana azy ?”


  • Alarobia 17 Aprily 2019

Namoaka fanambarana ny Sehatra Fanaraha-Maso Ny Fiainam-Pirenena (SEFAFI) mahakasika ny anton`ny ilana solombavambahoaka. Amin’ny 27 mey ho avy izao, ny olom-pirenena dia hifidy depiote 151 amin’ny kandidà 803 samy hafa. Ny and. 68 ao amin’ny Lalàm-panorenana dia milaza fa « Ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona no mandrafitra ny Antenimiera. Izy no mandany ny lalàna sy manara-maso ny asan’ny governemanta ary ny fanaovana tombana ny politikam-panjakana ».

 

Asa na fanahy iniana fa tsy nahatontosa ny andraikiny ny solombavambahoaka. Zavatra hafa tanteraka no ataony, mba hahatsara azy eo imason’ny mpifidy na hitangosana tombontsoa manokana : tsy anjarany ny manamboatra ny lalana, ny manome fitaovana ny sekoly, ny mamorona paompin-drano na ny manome baolina hanaovana kitra, na bodofotsy. Ireny asan’ny mpanao ronono an-tavy ireny dia tsy misy ifandraisany velively amin’ny asan’ny solombavambahoaka. Ambonin’izay, tsy vola manokan’ny olom-boafidy akory no ampiasaina fa vola nomena hampiasain’ny antenimieram-pirenena, saingy izy tsy hilaza izany na oviana na oviana. Misy tomban’ny asan’ny antenimiera farany teo, mbola mijanona ho tsiambaratelo milaza izao zavatra izao : ny 2014 ka hatramin’ny 2018, ny depiote dia nifidy lalàna 271 ( tsy eo am-pelatanana ny lisitra manontolo, nefa irina ho fantatra ny isanjaton’ny tolo-dalàna nipoitra avy amin’ny solombavambahoaka). Ny faharetan’ny asa niantsoana fivoriambe dia ora 262 tamin’ny 2014, ora 167 tamin’ny 2015, ora 120 tamin’ny 2016, ora 124 tamin’ny 2017 ary ora 51 monja tamin’ny 2018 ! Raha atambatra, ora 344 izany no hoe natokana ho an’ny asa momba ny lalàna ary ora 166 ho an’ny fanaraha-maso ny asan’ny governemanta tamin’ny alalan’ny fanontaniana valiana eo no ho eo matetika, tsy dia hita loatra izay ilana azy. Tsy noraharahain’ny solombavambahoaka mihitsy kosa ny momba ny tomban’ny politika ho an’ny mponina. Hita ao daholo izao rehetra izao, hoy ny Sefafi, ao ny ondrankondrafana, ao ny tampohin-karena, ao ny mpanararao-paty; misy mpamono olona voaaro ho tsy maty manota satria solombavambahoaka, misy mpandraharaha mpanao kolikoly ; hita ao mihitsy koa ny olona matotra sy mahomby, saingy ho fantatry ny mpifidy efa voafitaka lava ve izy ireny ? Mba hahafahan’ny olom-pirenena mifidy am-pisainana tanteraka, ny SeFaFi dia te hitondra fanazavana ho an’ny olona mikasika ny hevitra fototra ijoroan’ity fifidianana ity.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT