Politique

SECES - FAT Mihenjan-droa ny tady


  • Alarobia 01 Desambra 2010

Nihaona tamin’ny vaomieran’ny fampianarana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita na CST omaly ny SECES na ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka, nanazavan’ireto farany ny antonanton’ny fitakiany sy ny fanatsarana tokony hatao amin’ny tontolon’ny fampianarana ambaratonga ambony amin’ny ankapobeny.

Mbola namerina indray ireto mpampianatra avy eny amin’ny oniversite ireto fa tsy misy fianarana miverina amin’ny laoniny izany raha tsy voavaly ny fitakian’izy ireo, izay nambara fa rariny sy hitsiny fa tsy filam-banona araka ny ambaran’ny mpitondra fanjakana azy. Karazana fifanakalozan-kevitra ihany anefa fa tsy hoe hahafahana mahita vahaolana eo no ho eo ity fihaonana omaly teny Anosikely ity ; ary raha ny tena marina aza dia mihenjan-droa tanteraka ny tady eo amin’ny SECES sy ny FAT satria tsy nanaiky ireo fitakiana ity farany. Ny resaka tambin-karama mikasika ny fikarohana moa no anisan’ny tena fototry ny olana, miampy ilay tambin-karama momba ny ora ambony ampanga ary ireo kipitsopitsony maro samihafa, voarakitra anaty didim-panjakana noraisin’ny fanjakana ny volana oktobra 2009.

Tsy nanaiky ny hanomezana ny tambin-karama ho an’ny fikarohana ho an’ny mpampianatra tsirairay ny FAT fa nametraka koa ny antsoina hoe : «Fonds de recherche», na tahirim-bola natokana ho an’ny fikarohana. Ka voalaza fa izay mpampianatra manana fikarohana atao dia omena vola avy amin’io tahiry io, fa tsy hoe mitomboka isam-bolana ny tambin-karama ho an’ny mpampianatra tsirairay. Tsy manaiky an’io anefa ny mpampianatra mpikaroka satria amin’izy ireo dia karazana tetika tsy handoavana ny zon’izy ireo io. Tsy resaka hoe mamorona fitaovana vaovao na akora vaovao ny fikarohana, araka ny nambaran’ny mpampianatra iray eny amin’ny oniversite fa misy karazany telo mazava.

Voalohany dia efa fikarohana atao isan’andro ny fanomanana ny fampianarana omena ny mpianatra, tsy maintsy misy mantsy ny paik’ady ampiasaina amin’izany mba hahatafita tsara ny zavatra hatao fa tsy hoe tononina fotsiny ny lesona dia izay no vita. Nambarany fa efa fikarohana ataon’ny mpampianatra ihany koa ny fanaraha-maso sy ny fanampiana ary ny fanomezana toromarika ny mpianatra amin’ny TP (Travaux pratiques) sy ny TD (travaux dirigés) tsy maintsy atao eny amin’ny oniversite ary ilay hoe famoronana zava-baovao hitondra soa ho an’ny besinimaro sy ny firenena moa no karazana fikarohana fahatelo. Noho izany antony rehetra izany dia manizingizina ny tsy maintsy hanomezana azy ireo ny «indemnité de recherche» ireo mpampianatra mpikaroka mivondrona ao amin’ny SECES, ilay izy rahateo efa neken’ny fitondrana tetezamita fa ny didy fampiharana azy sisa no andrasana.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT