Rariny raha mitokona ny mpianatra eny amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra
satria efa tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy intsony ny foto-drafitrasa eny, hoy ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka, sampana antananarivo. Potika na tsy misy ny toeram-pidiovana. Ny rano tsy mandeha. Manginy fotsiny ny fanorenana tsy ara-dalana ataon’ny mpandika lalàna nefa toy ny tazanin’ny tompon’andraiki-panjakana fotsiny. Mbola misy fanjakana ve eto? Maniry ny Seces, sampana Antananarivo, ny hisian’ny tontolo milamina, indrindra, fitoniana ara-tsosialy mandritry ny taom-pianarana rehetra. Tsapanay ho toy ny miraviravy tanana amina lafin-javatra maro anefa ny fitondrana ka angatahana ny fijereny akaiky ny olana ety. Isany ny tsy fahampian’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra. Tokony hampitomboana fara-fahakeliny 300 hatramin’ny 500 isa ny fandraisana izany. 142 no efa misotro ronono tanteraka izao manerana ny nosy. 11 maty nefa ny toerana na “poste budgetaire” tadiavin’ny fanjakana omena dia tsy misy afa-tsy 100 hono. Mbola ho sahirana araka izany ny mpampianatra hiatrik’asa ary ho sahirana koa ny oniversite any amin’ny faritra satria tsy ampy mpampianatra no tsy misy fitsinjovana. Dradraina saika matetika amin’ny haino aman-jery anefa ny hoe hanangana oniversite any amin’ny faritra isika. Tadidio fa tsy trano misy rindrina 4 fotsiny no atao hoe oniversite fa misy olombelona mizara fahalalana ao, misy mpitantana eo amin’ny fandraharahana sy lafiny tekinika, ny mpiandraikitra toeram-pitiliana sy maro hafa, hoy hatrany ny Seces Tana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.