Politique

Sazalahy Tsianihy “Tahaka ny tany tsy misy Fanjakana any Toliara”


  • Talata 05 Jolay 2022

Tsy ahitana andro mihiratra amin’ny tsy fandriampahalemana ny Faritanin’i Toliara indrindra fa any Atsimo Andrefana sy Androy,

mila ho isan’andro handrenesana olona tapahin-doha hoy Atoa Sazalahy Tsianihy Mpikatroka ao anatin’ny Antoko, Filoha lefitry ny RMDM Toliara, ary efa Mpikamban’ny Kongresin’ny tetezamita teo aloha. “Ny alarobia 29 jona, ny rahalahiko izao no maty nisy namono tany Analamitivala any amin’ny kaominina Andranohinaly Toliara II, ka ny lohany mbola tsy hita. Iray volana nialohan’izay nisy vehivavy iray hita tapa-doha tany amin’ny tanàna 1km miala an’io tanàna io. Izaho Sazalahy Tsianihy, nisy nanafika ny tranoko tao Toliara tampon-tanana ny zoma nialohan’ny fankalazana ny fetim-pirenena ka entana maro no lasa. Ny alarobia nialohan’ny fetim-pirenena ihany koa tao Miary 3 km miala ny toerana miasa anay, zaza varira iray no nalain’ny olon-dratsy teo an-tananan’ny reniny. Ny reniny no voatoto basy, ary efa nisy ny tratra. Ao Ankililaoka Toliara II tsy maintsy misy ombin’olona very,... hoy ny fitantarany. « Ohatran’ny tany tsy misy Fanjakana any aminay, tokony hojerena ny faritanin’i Toliara manontolo, fa raha izao no mitohy, raha dilan’ny volana oktobra, mety ny antsasaky ny olona sisa hipetraka any satria manampy trotraka ihany koa ny kere, troky izay misy mahafaty no hanin’ny olona », hoy i Sazalahy Tsianihy. Manomboka any Andranovory, Betioky, Ampanihiy,… zara raha misotro rano ny indray mandeha isan’andro olona, ary izany fidiovana izany dia tena tsy misy indrindra, kanefa tena ilain’ny vehivavy. Nahitsy izy naneho fa tsy ohatran’izany ny zava-misy tamin’ny fitondrana Ravalomanana. Na tsy misy sy ifampitadiavana ny rano, nanana fahafahana ny olona hividy rano satria teo ny PSDR, ny asa takalo sakafo sy vola, ny Secaline nokarakarain’ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN), tamin’izany tsy nihoatra ny 2000Ar ny rano iray bidon 20L fa amin’izao any Andranovory, Andranohinaly,… hatramin’ny 10 000Ar, hoy izy. Ny tetikasa fitarihan-drano, tsy misy tena asa atao fa « werawera » no betsaka. Nanenina tongotra aman-tanana ny olona nifidy an-dRajoelina, betsaka ny hala-bato, ka mahatsiaro an-dRavalomanana ny vahoaka, betsaka no efa manatevi-daharana ny mpanohitra, hoy i Sazalahy Tsianihy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT