Politique

Savorovoron’ny governemanta Nandetika ankolaka an’i Imbiki ny PM


  • Alakamisy 17 Febroary 2022

Naneho hevitra momba ny raharaha fialan’ny Minisitry ny fitsarana teo aloha Atoa Imbiki Herilaza ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly,

nandritra ny fandefasana ireo vatsy Tsinjo hotsinjaraina any amin’ny faritra 6 isan’ny tena lasibatry ny rivodoza. Nandritra io no nilazany, fa tsy mionona sy tsy voafetran’ny facebook ny Fanjakana teo anatrehan’ny raharaha ampamoaka, ary taorian’ny fanadihadiana sy fandinihana lalina nataony sy ny Filoha no nandraisana ny fanapahan-kevitra. “Ny Praiminisitra tsy voatery hijery facebook mandavan’andro na isan’andro na isan’ora fa manampy ny Filohan’ny Repoblika amin’ny fitantanana ny firenena, mandamina ny asan’ny governemanta. Efa fantatrareo ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny tenako mikasika iny raharaha iny. Ataoko olon-dehibe ny Filoha sy ny tenako mandinika, mamakafaka, mijery tsara hoe: inona no zava-misy. Ny fanendrena na fanesorana minisitra izany dia tena zavatra sarotra amin’ny firenena ary tsy kitoatoa ny zavatra raisina amin’izany. Matoa ireny ny fanapahan-kevitra noraisina dia mifandray tokoa amin’ny zava-misy, ary tena mahasoa ny Malagasy ny zavatra”, hoy ny Lehiben’ny Governemanta. Raha miverina kely tamin’ny olana nahazo ny Minisitry ny jono mikasika ny voalaza fa tsindry nahazo ity farany tamin’ireo mpandraharaha vahiny mpanao ampihimamba ny harena anaty rano, dia toromarika nomena azy tamin’izany ny hoe: ny olana dia natao hatrehana fa tsy hitsoahana. Tamin’ity kosa noho ny raharaha ampamoaka maro samihafa, dia karazan’ny Filoha sy ny Praiminisitra mihitsy mazava ho azy no nanosika ny Minisitry ny Fitsarana hivoaka ny varavarana. Somary nanaitra ny filazan’ny Praiminisitra nilaza fa “matoa ireny ny fanapahan-kevitra noraisina dia mifandray tokoa amin’ny zava-misy” izany hoe: manaiky ve izany izy ireo fa tena nanao ilay zavatra tokoa ny minisitra tao anaty governemanta? Nilaza anefa izy fa tsy voatery ho marina ny voalazan’ny fanenjehana sy ny facebook koa nahoana no tsy niandrasana ela fa tonga dia nirosoana ny fanalana? Marihina fa nisy resaka nandeha fa nanana hambo-po ho Praiminisitra ny Minisitry ny fitsarana teo aloha. Ary ahoana izany ny Minisitra hafa voatonontonona izay tsy mahatsapa tena miala sa miandry hosorohana?
“TSY VOATERY HO MARINA NY FANENJEHANA”
Nilaza ihany koa anefa ny Praiminisitra fa “ny zavatra misy dia izao hoe: miteny “scandale” ianareo ka “scandale” inona sa “scandale” facebook sa “scandale” eo anivon’ny firenena sy zavatra mari-pototra? Ny zavatra resahana mikasika minisitra, ny minisitra dia tompon’andraikitra izay jeren’ny vahoaka, tsy voatery ho marina ny voalazan’ny facebook, ny zavatra na resaka mety mahakasika ny tenako na ny Filohan’ny Repoblika dia tsy voatery ho marina daholo ireny rehetra ireny. Tsy kilalaon-jaza ny raharaham-pirenena”, hoy ny Lehiben’ny governemanta. Na izany na tsy izany, andrasana ny ivoahan’ny marina mikasika ireny raharaha goavana rehetra ireny, fa tsy ho boriboriana lava amin’ny hoe : « efa mandeha ny fanadihadiana ».
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT