“Ao anatin`ny fiandrasana ny voka-pifidianana ny rehetra amin` izao ka ilaina ny fitoniana sy fanarahana lalàna hatrany ny fiandrasana izany ary ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no tompon` ny teny farany mandamina izay voka-pifidianana raikitra izay”
hoy ny praiministra Ntsay Christian raha nitafa fohy tamin` ny mpanao gazety omaly. Ny fifidianana natao teto Madagasikara dia tao anatin` ny fitoniana sy filaminana ary miara manaiky, hoy izy, fa misy korontana goavana tamin` iny fifidianana iny. Raha jerena ny tetiandro dia tokony efa eny anivon` ny CENI ireo vokatra rehetra avy amin` ireo SRMV amin` izao fotoana fanangonana vokatra izao. Manao antso avo anefa ny Praiministra amin’ireo Kandidà sy ny mbomba azy ary ny vahoaka, mba hanaja ny lalàna velona ka hitondra eo anatrehan’ny Fitsarana mahefa ny raharaha rehetra mety ho fifanolanana. Nanamfy izy fa tsy mila korontana ary aoka ny HCC afaka manapaka farany ireo olana tamin` ny fifidianana. Ahoana moa no tokony hitony ny vahoaka? Ny Filoham-pirenena moa dia mahita ny voka-pifidianana mialohan` ny fotoana. Ny taham-pahavitriana dia tena ambany, izay maneho ny tsy fankasitrahan` ny vahoaka Malagasy ny Fitondrana ankehitriny. Distrika maromaro no nisehoana fomba fanoherana isan-karazany. Ireo firaisamonim-pirenena dia efa nanao fanambarana fa ny ankabeazan’ireo endrika fanoherana ireo dia fanehoan’ny vahoaka ny fiarovany ny safidiny tsy ho voahidinkodina, ka mba ho tena izay olona nosafidiny no hisolotena azy eny amin’ny Antenimieram-Pirenena. Araka izany, adidin’ ny fitondrana ny mitandro ny tsy fitanilàna sy ny fahombiazana eo amin’ny andraikitra sahaniny, satria zava-dehibe sy mankadiry ny fihazonana ny fahatokisan’ny vahoaka amin’izao fotoana ao aorian’ny latsa-bato.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.