Politique

Savorovoro tao Toamasina «Misy ambadika politika», hoy ny PDS Rakotovao Mariot


  • Zoma 21 Janoary 2011

Nivadika ho resaka politika tampoka teo ilay tsy fahafalian’ireo mpitondra posy bisikileta noho ny fanadiovana ny fifamoivoizana ataon’ny Kaominin’i Toamasina.

Tsy vao izao no manafangaro ny hetsika sosialy sy hetsika politika ny PDS, fa isaky ny tsy mahita hambara amin’ny tsy fahaizany mifehy tanàna izy sy ny ekipany dia io politika sy mpanao politika io hatrany no ambarany fa olana. «Fantatray araka ny vaovao azonay (?) avy amin’ireo mpitsikilo alefanay, fa misy mpanao politika (zanak’i Toamasina ?) mandranitra ireo mpitondra posy. Ny tanjona dia ny hisian’ny korontana eto an-tanàna», izay no voalazan’ny PDS raha nanazava ny fahitany ny fandehan-javatra ny alatsinainy teo. Nohamafisiny hatrany fa «misy tsy maty voalavo an-kibo ireo mpanao politika eto Toamasina, ka manao izay haminganana ahy sy haharatsy endrika ahy».

Raha io nambaran’ny PDS Rakotovao Mariot io no jerena, dia voasoketa ao ny TIM sy ny Ankolafy Telo ary ny MTS, mety ao anaty vala koa ny TGV Toamasina izay naneho ny heviny mangina ny sasany fa «fanimbana ny vaton’ny TGV amin’ny fifidianana atao ity fihetsiky ny Pds ity, izy rahateo raha hirotsaka hofidiana dia hisafidy an’i Maroantsetra, distrika niaviany». Ankilan’izay dia nolazain’i Mariot Rakotovao koa fa «manakarama andian’olona mihitsy ireo mpanao politika ireo hanakorontana sy hanao fandravana ny tsena sy fananan’olona, anisan’izany ireo 40 voasambotra (adino ireo 02 vaky loha noho ny daroka naiditra hopitaly). Matotra ny fiaraha-miasa amin’ny zandary manao ny fanadihadiana sy ny fitsarana handray an-tanana ny raharaha, tsy maintsy hizaka ny nataony ireto mpanakorontana ireto». Ankoatra izay, dia nahatratra 2.700 ireo mpitondra posy nisoratra anarana hanao ny fanofanana manaraka, 700 kosa ireo efa nandoa ny «carton» milaza ny fahavitan’ny fanofanana (2008 – 2010) ao amin’ny gara misy ny birao vonjimaika noho ny fanamboarana ny lapan’ny tanàna.

note:
Miaramila mitondra kalaky roalahy be izao no miambina ny PDS amin’izay alehany amin’izao. Miaramila mitam-piadiana ihany koa no miambina ny tranony ao Mangarivotra.
 
Rakoutou
 
Sary : Nanamafy ny fiambenana azy ny PDS Rakotovao Mariot

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT