Nafanafana ny fihetsiketsehan’ny mpianatra teny Ankatso omaly talata 30 oktobra tontolo andro. Fitakiana vatsim-pianarana sy fandoavana ny fampitaovana no votoatin’ny fitakian’izy ireo, izay tsy zava-baovao amin’ny mpitantana ny oniversiten’Antananarivo.
Ireto farany izay manondro ny ministeran’ny fampianarana ambony ho tompon’antoka amin’ny tsy mbola ahatongavan’ny vola eo am-pelatanan’ny oniversite handoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra sy ho fampandehanan-draharaha. Tsy vao izao koa no nisy hetsika fanairana nataon’ny mpianatra momba ity raharaha ity, raha ny tamin’ity taona ity saingy tsy voaloa mandrak’ity ny anio io vatsim-pianarana io, fa vao mainka aza miavosa. Nitroatra ny mpianatra, izay efa ela niandrasana mba tsy hilazana fa nampifilafilaina. Toa ny fanjakana ihany mantsy no manosika azy ireo higrevy. Velona indray ny tora-bato sy ny fandorana kodiarana izay nampirehitra ireny fanaovana “taxi-phone” ireny hatreny ivelan’ny faritry ny oniversite omaly. Nifangaro tao ny mpianatra sy ny mpanararaotra. Vokany, nisy ny naratra : 5 avy amin’ny mpianatra ka tovovavy iray no voatery nampidirina hopitaly, voan’ny grenady lakrimôzena, roa ny avy amin’ny Emmo-Reg naratran’ny tora-bato. Nisy 11 no voasambotra omaly, ary natao famotorana teny Betongolo.
Omaly ihany dia nifamory ireo fikambanana ara-pedagôjika avy amin’ireo departemanta sy sekoly lehibe eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Araka ny fanadihadiana nataon’izy ireo dia efa nivoaka teny Ambohitsorohitra tamin’ny 19 oktobra ary nalefa any amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy fikarohana siantifika ny taratasy fahazoan-dalana handoavana ny vola vatsim-pianarana io. Mila fankatoavana avy eny Ambohitsorohitra mantsy ny famoaham-bola mihoatra ny efajato tapitrisa Ariary, nefa ny vatsim-pianarana iray volana eny Ankatso fotsiny no mananika ny valon-jato tapitrisa Ariary any amin’izao, ankoatra ny fampitaovana izay efa amina miliara.
Hatramin’izao anefa tsy tonga ao amin’ny kitapom-bolan’ny oniversite io volana io, fa hoe hiandry ny teti-bola 2013 ka midika tsy fahaiza-mitantana izany, hoy ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra. Tamin’ny teny hentitra no nilazan’izy ireo fa manome 24 ora, ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Razafindehibe Hilaire Etienne izy ireo, hanomezana io vola vatsim-pianarana io. Dila io fe-potoana io, ka tsy voavaha io, dia milaza ny hanao rodobe hiakatra eny amin’ny ministera eny Fiadanana ny mpianatra hitaky ny fialan’ny minisitra tsy misy hatak’andro, izay tondroin’ireto filohan’ny fikambanana ara-pedagôjika ireo fa manakorontanana ny onivesite. Mitaky tsy misy fepetra ny hamoahana ny naman’izy ireo 11 lahy, nosamborin’ny Emmo-Reg koa izy ireo.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.