Tonga omaly maraina tamin’ny 9ora teo ho eo teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ilay satroboninahitry ny tatarom-piandrianan’ny Mpanjaka Ranavalona III.
Tao anatin’ny 123 taona no nakana azy teto Madagasikara, rehefa lasa zanantany Frantsay isika. 110 taorian’ny nampiratiana azy tao amin’ny Mozean’ny Tafika Frantsay tao amin’ny Hotel des Invalides izao namerenana azy izao, izay naverina eny amin’ny Lapan’I Manjakamiadana. Fiaramanidina manokan’ny Air France no nitondra azy io. Ny Masoivoho Frantsay Christophe Bouchard no nandray azy teo am-pahatongana, ary natolotra ofisialy ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Noraisina toy ny mpanjaka na olo-manakaja izy io. Nisy ny lanonana ara-miaramila nandraisana izany, ary nentina tamin’ny fiara-manokan’ny tafika, niainga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, nihazo an’i Manjakamiadana. Raha mariky ny faharesena ny nakana azy tamin’izany, dia marika ny fanarenana sy ny fananganana izy amin’izao fotoana izao, hoy i Lalatiana Rakotondrazafy. Tahaka izany ny Rova izay may, ary tafatsangana 25 taona aty aoriana. Tsy iny irery fa misy lisitrana zavatra maromaro, ka mialoha làlana iny fa mbola be ny hanaraka ao, hoy ny fanazavana. Mbola mandeha ny fitakiana ny Nosy Eparses, hoy ny fampanantenana. Nilaza moa ny Minisitry ny raharaham-bahiny Tehindrazanarivelo Djacob Liva, fa miverina manontolo amin’i Madagasikara ity satroboninahitry ny tatarom-piandrianana, araka ny fifanarahana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.