Politique

Satan’ny fifampitondran-tena Hampahafantarana ny vahoaka ny CFM


  • Zoma 03 Mey 2019

Anisan’ireo voalohany amin’ny mpanara-maso ny fanatanterahan’ireo kandida ho depiote ny antsoina hoe satan’ny fifampitondran-tena na toky nomena ny komitin’ny fampihavanam-pirenena na CFM.

 

 Fifidianana milamina sy mangarahara ary andraisan’ny rehetra anjara no tanjona, hoy ny filoha lefitr’ity rafitra ity, Gerard Ramamimampionona. Faharoa dia ny tena mba hisian’ny solombavambahoaka vonona sy vanona ary sahy raha toa ratsy ny endriny hatramin’izay toy ny hoe malety, hakamoana hivory, fihinanam-bolam-bahoaka sy ny sisa. Mamolavola lalàna no asan’ny solombavambahoaka, araka ny andininy faha-68 ao amin’ny lalàmpanorenana ka mila olo-mendrika izany, hoy izy. Manara-maso ny fahefana mpanatanteraka ary manao tombana ny asan’izy ireo. Izay tsy fenon’ny lalàna izany dia mba fenon’ny ara-moraly. Anisan’izany, ohatra, io resaka fampielezan-kevitra mialoha io. Ankoatra izay, ahafahana mampahatsiahy ny vahoaka ireo lalàna efa adinodino koa io toky nomena io, hoy hatrany i Gerard Ramamimampionona. Hatramin’ny rahampitso 4 mey moa no hifarana ny fanaovan-tsonia ny toky nomena.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT