Politique

Sata mifehy ny mpanohitra “Tokony hiezaka ny parlemanta roa tonta”


  • Alakamisy 28 Mey 2020

Ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny hijoroana mpanohitra ara-pomba demokratika dia efa voalazan’ny lalam-panorenana. Efa nisy dingana goavana nametrahana azy io ny taona 2011, hoy ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, nanazava ny fahitany ny mampitarazoka ny raharaha ankehitriny.

 

 Mbola tao anatin’ny fiaraha-mitantana moa tamin’izay fotoana izay ka noho izany tsy nisy ny mpanohitra ofisialy. Rehefa lany ny filoham-pirenena teo aloha dia nisy ny nijoro ho mpanohitra nefa tsy nahazo izay sata ofisialy maha mpanohitra izay. Nieritreritra hanome io sata ara-dalàna io ihany angamba ny fitondrana ankehitriny, hoy izy, fa ny zava-nisy niainana nandritry ny 5 taona teo aloha no nahitana hoe misy fahalemena kely tokony hatsaraina sy fanazavana mazava eo amin’ilay fanendrena ny lehiben’ny mpanohitra ofisialy. Raha ny fomba fijeriko manokana, hoy izy, dia tokony ho hita ao anatin’io lalana io ny famaritana ny fanendrena na fisafidianana izay lehiben’ny mpanohitra izay satria eo no tena mampisavoritaka ny samy olona mijoro ho mpanohitra ny fitondrana. Raha ny fahalalako azy dia efa lany teo anivon’ny antenimieram-pirenena ilay tolo-dalana fa mbola tsy nandinika izay ny antenimieran-doholona. Lalçna lany teo amin’ny roa tonta anefa no tokony avoaka rehefa avy eo. Ny antenimiera roa tonta no tokony hanao ezaka hisian’ilay fanatsarana ity lalàna ity, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT