Nanamarika ny mpanakanto Sareraka ny famoronan-kira malaza fantatra tamin’ny hoe : « méditation » rehefa misy zava-mitranga lehibe eto amin’ny firenena.
Efa nisy endriny maromaro io, ary saika mamely ankolaka na mivantana ny mpitondra amin’izay zavatra hitany fa tsy mety ? Mampisaintsaina sy tena manindrona izay hiantefany ny « méditation » ary tsy misorona eo anatrehan’ny tsy mety. Fa nahoana no tsy nahavita « méditation » mihitsy amin’izao zava-misy izao? Fifidianana nampiady hevitra noho ny resaka « doublons », fifandonan’ny fanjakana sy ny mponina amin’ny resaka fakana tanim-mbahoaka, fiatrehana ny coronavirus miteraka adihevitra tsy hifankahitana toy ny resaka tambavy,… Samy nahazo ny anjarany ny ankamaroan’ny mpitondra teto, toy ilay programa « 35 000 logements» an’ny Amiraly Ratsiraka ny taona 1997 izay nokianina tao anaty hira, kanefa ny Filoha Rajoelina ihany koa anie ka nampanantena « 50 000 logements » tamin’ny fifidianana teo, nilaza fa efa any anaty sambo ny tramway tamin’ny 2010 mbola tsy tonga androany, nampanantena fotodrafitrasa goavana tany Ambilobe fa inona no teo, ary nampanantena toeram-panamboarana fanafody goavana indrindra aty Afrika,… Tena mila « méditation » ny zava-misy ankehitriny, ka asa raha ho lasa valalabe mifoha ho avy hamotsipotsitra ny tsy mety ilay mpanankanto fanta-daza fa mba miandry an’izay indray izao ny mpihaino?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.