Politique

Sao dia mba tsy rariny Ny vahoaka miandry lava, ny mpitondra migalabona


  • Alarobia 20 Oktobra 2021

Lavitra loatra ny elanelana eo amin’ny mpitondra sy ny entina eto Madagasikara. Tsy resaka fidinana eny ifotony na tsia ataon’ny Filoham-pirenena na mpitondra Fanjakana endrika ivelany sy kisehoseho io,

 fa eo amin’ny fomba fiaina sy fifampitondrana mihitsy, ary indrindra ny fari-piainana. Mitombo isa ny mahantra fadiranovana, tsy hita intsony ireo sokajin’olona manana fari-piainana antonony (classe moyenne). Raha ny tatitra navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena ny desambra 2020, tafIakatra 77,4% ny taham-pahantran’ny Malagasy. Io taha io no ambony indrindra hatramin’ny taona 2012. Niampy 1, 4 tapitrisa ireo Malagasy miaina amin’ny 1, 9 dolara na manodidina ny 7 000 Ariary isan’andro,… Herintaona aty aoriana, tsy nivoatra isika, fa vao mainka milentika raha tarafina amin’ny zava-misy ara-tsosialy sy ara-toekarena. Mandavaka hatrany ny hantsana manelanelana ny manampahefana, izay tsy mba afaka ny handefitra. Ny vahoaka natao hampiandrasina, ka na ny zony izao aza aza efa tsy izy no tompon’ny teny farany. Natao hiandry sy hilahatra mandrakariva: tsena, hopitaly, banky, taksibe, biraom-panjakana,... eny izay aleha rehetra. Hatramin’ny karama valin-katsembohana izao aza mbola grevy no hitakiana azy, arahina vava be. Ny manampahefana kosa natao hanjakazaka. Misy mpisava làlana arahina kiririoka sy kipantsona dia lasa. An-kavitsiana mba tsy hitenenana hoe tsy misy ireo mba miara-miaritra amin’ny vahoaka isan’andro. Ny vahoaka rehefa handeha hiasa mandeha an-tongotra, bisikileta, taksibe,… raha misy saran-dàlana. Ny henjana dia misosa fotsiny sady fiara no mpiambina no tsy mandoa solika. Migalabona amin’ny volam-bahoaka, kanefa mbola manitsaka hatrany an-tampon-doha ny sasany, fady izany mba hiaiky fa diso izany. Ny an’ny sarambabem-bahoaka, rehefa miantsena any anaty hena antsasaky ny fahefany na ambikambin-kena amin’ny toko, trondro sira, ananana mifangaro, taovan-kena sy trondro indraindray efa misy fofona. Ry zareo tonga dia any amin’ny “Grande surface” na misakafo any trano fisakafoana malaza. Ny resaka hoe andeha hiala sasatra moa izany dia aoka fotsiny, mbola mahavita mampirevy vazaha ny mpitondra rehefa any ivelany, mandany amina miliara, toy ny natao tany Frantsa ny faramparan’ny aogositra. Aiza moa no hifanojo ny laharam-pahamehana lazaina fa fandrosoana sy ny fiaianan’ny sarambabem-bahoaka ?

 

Tsy nahazo fahefana anefa ireo raha tsy ny vahoaka, fa rehefa mahazo seza dia miha adino tsikelikely ny hasin'ny vahoaka. Matoa isika tahaka izao dia tsy voajery tsara ny resaka tombotsoa iombonana fa ataotao etsy sy eroa ny asa, tsy mirindra, maika hametaka ny anarany fotsiny ireo mpitondra dia izao no alehany. Sao mba efa tsy rariny intsony ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT