Politique

Sao dia mba efa mivadika ondana? Henatra no hireharehana fatratra


  • Talata 05 Oktobra 2021

Tena fantatry ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ve hoe:iza marina ilay firenena tantaniny sy ilay vahoaka Malagasy monina sy miaina eo amboniny?

 Nosokajiany ho fampandrosoana ny fanafarana sambo mitondra entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro na PPN amin’ny alalan’ny sambo miisa 20 izay nireharehany fatratra ny herinandro lasa teo. Mbola notohizany tany Taolagnaro ny faran’ny herinandro lasa teo izany ka nilazany fa tsapany ary fantatro fa lafo loatra ny vidim-bary. Ny vary miainga avy any Antananarivo sy Toamasina dia sainga. Rehefa mandefa fanampiana avy any Antananarivo sy Toamasina, dia saran-dàlana ny antsasaky ny vary. Andrasana vary ho vokatra afaka roa taona izany vao hampidinina ny vidim-bary ve? hoy I Andry Rajoelina. Andao hanafatra vary mba hampihena ny vidim-bary, efa tonga any Toamasina ny vary, ary ny ampahany halefa any Taolagnaro, hoy izy. Nambara fa tsy maintsy tratran’I Madagasikara ny fahaleovantena ara-tsakafo kanefa ny fanafarana no hireharehana. Tsy fahaizana tsy fahafehezana ny tontolon’ny fambolem-bary ny filazan-dRajoelina fa tsy afaka hiandry “2 taona”, ary azo lazaina ho tsy fahaizana mba tsy hilazana voambolana hafa kokoa noho izany. Ao anatin’ny 6 volana dia afaka mamokatra vary eto Madagasikara, ary tsiahiavina fa efa mpamboly vary hatrizay ny Malagasy, manana fihaviana Indianina, Aostronezianina, Malezianina, Afrikanina,… izay tompondakan’ny fambolem-bary. Ny tosika sy ny tantsoroka no misy satria “téléphérique” sy kianja manara-penitra no laharam-pahamehana kokoa eto. Tany aloha, nofanina sy nomena tan-tsoroka ny tantsaha, novatsiana fitaovana, manana tany malalaka mbola azo trandrahana isika, napetraka ny fitaratra na “vitrine de Madagascar” teny amin’ny Lapam-panjakana,… Izao kosa fanafaram-bary no hireharehana ho fampandrosoana. Raha handray, ohatra, iray dia hoe: I Lafrantsa izay tompondaka eran-tany amin’ny fanamboarana divay ve no handeha hanafatra sy hirehareha amin’ny an’ny hafa?

25% AMIN’NY 100 000 TAONINA HATAO VATSY TSINJO
560 000 taonina ny vary nentin’ny sambo avy any Inde no tonga tao Toamasina ny sabotsy teo. 170 000 taonina nafaran’ny SPM, ary ambiny nafaran’ny mpandraharaha tsy miankina. Mahatratratra SPM. 100 000 taonina ny vary ao Toamasina, ka ny 25% amin’ireo dia hatao vary Tsinjo, hoy ny orinasa. Efa paikady politika hatrizay ny kimoramora tsy mahavita taona, ary tsy mipetraka mihitsy ilay ohabolana sinoa hoe: “raha te hanampy olona iray dia omeo fintana izy fa aza omena trondro”. Ny tahiry tamin’ny sambo teo aloha dia misy 6400 taonina, ary misy hangar iray misy ny tahiry ankampobeny. Misy vary ahafahana miatrika ny zava-misy, hampidininana sy hitazonana ny vidim-bary amin’ny fahavaratra, nampandalovina laboratoara omaly mialohany ahafahana manaparitaka azy manerana ny Nosy. Fahavitan-tena ara-tsakafo inona moa no antenaina amin’ny fanafarana vary izay hireharehana sy lazaina fa fampandrosoana? I Andry Rajoelina izao no nilaza fa miakatra ny mason-karenan’ny fanafarana satria 3500dolara ny saran’ny fitaterana kaontenera iray teo aloha, ary efa tafiakatra 10 000 dolara izany. Nambaran’ny mpamakafaka iray fa mahatratra 300 000 000 dolara ny vola atontona amina fanafaram-bary, ary niakatra ho 600 000 taonina ny hafarana raha 400 000 teo aloha. Midangana ny mason-karena, mivoaka ny vola vahiny, izay mampitotongana ny Ariary satria ny fanafarana ambony mitaha amin’ny fanondranana ho an’i Madagasikara.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT