Politique

Samy tsy nanameloka an’i Russie Efa eto ny Ambasadaoro vaovaon’i Algérie


  • Alakamisy 24 Martsa 2022

Ambasadaoro vaovaon’ny Repoblikan'i Algérie, hiasa sy honina eto Madagasikara Atoa Malek DJAOUD. Tonga nanolotra ny taratasy fanendrena azy tamin’ny Filoham-pirenena omaly 23 martsa 2022

teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. "Firenena manana tantara iraisana sy fifandraisana ara-pirahalahiana mafy orina i Algérie sy Madagasikara." hoy ity Masoivoho vaovaon’ny Repoblikan'i Algerie ity. Niombon-kevitra ny roa tonta nandritra ity fihaonana ity ny tokony hanomezana ainga vao an'izany fifandraisana izany eo amin'ny sehatra samihafa ho an'ny tombontsoan'ny firenena roa tonta sy ny vahoaka ao aminy. Notsipihan'ny Filoham-pirenena manokana ny fanirian'i Madagasikara ny hanatsarana ny fifandraisana ara-barotra amin'i Algérie ary ihany koa ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fifanakalozana traikefa sy teknolojia eo amin'ny sehatry ny fotodrafitrasa, ny jono ary ny akoranafo. Tsara ny manamarika fa iray tamin’ireo firenena 35 tsy nanameloka ny fanafihana ataon’i Russie any Ukraine tahaka antsika ihany koa i Algérie, fa nisafidy ny tsy hiandany. Rehefa zohiana anefa, toa somary manakaiky kokoa an’i Russie. Fifandrifian-javatra ihany ve ny safidin’ny roa tonta tsy hanameloka ny Rosianina sa efa mety ho torimarika avy amin’ny matanjaka?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT