Politique

Samy te ho lohany Miady an-trano ny TIM an-dRaharinaivo


  • Alarobia 10 Oktobra 2012

Mipoitra eo anivon'ny TIM Raharinaivo ihany koa ankehitriny ny disadisa eo amin'ny samy mpitantana.

 Nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly maraina ny CST Dr Emile Ratefinanahary na i Vazaha, Sekretera jeneraly lefitr’ity elatra TIM ity, ka nanakiana mafy ny tsy fandraisan'andraikitr'i Vyvato Rakotovao, Sekretera jeneraly tompon-toerana, no sady nangataka ny fametraham-pialany. Fe-potoana 48 ora no nomen'i Vazaha, ka rehefa tsy miala ao anatin'izay i Vyvato dia manainga mavesatra ny birao politika mba hanala azy i Emile Ratefinanahary. Tsy olom-boafidy tany amin'ny kongresin'ny antoko mantsy, fa olom-boatendry ny sekretera jeneraly ka fahefan'ny birao ny manala sy manolo azy, hoy izy. Basy atifi-kavana tsy afenina fa arangaranga izy ity. Araka ny resaka nifanaovana tamin'i Emile Ratefinanahary dia tsy misy ambadika politika mihitsy izao fitakiana izao fa tena noho ny fahatsapana ny tsy fandraisan'andraikitr'ity Sekretera jeneralin'ny TIM ity, amin'ny maha mpitantana antoko azy. Efa maro ny tranga nahitana io tsy fandraisana andraikitra io, saingy tamin'ny nahafatesan'i Haja Ratsimandresy, tanora TIM sady mpanolotsain'ny tanàna eto an-drenivohitra no tena nampiakatra kokoa ny maripana.

Nilaza i Emile Ratefinanahary fa tsy nisy fandraisan'andraikitra mivantana mihitsy nataon'i Vyvato Rakotovao tamin'ny fanampiana na fifanomezan-tanana tamin'ny fianakaviana sy ny mpiray antoko tamin'ity fahoriana nitranga ity. “Nandalo dia niserana, indray tolakandro, i Vyvato Rakotovao sy Raharinaivo Andrianatoandro ary dia tsy hita intsony avy eo”, hoy ny fanazavany. Raha tena tompon'andraikitra anaty antoko anefa dia mandray andraikitra feno amin'ny resaka sosialin'ny mpikambana ihany koa fa tsy hoe variana amin'ny politika ambony latabatra fotsiny, hoy izy, satria ao anatin'ny fiainan'ny antoko ny fifampitaizana sy fifanampiana. Nomarihan'ny Dr Emile anefa fa tsy hoe miady akory izy mirahalahy fa tena mpinamana, saingy rehefa misy ny zavatra tsy mety dia tsy maintsy ambara. Araka ny efa nambara teo moa dia milaza ny handray andraikitra ny Dr Emile Ratefinanahary manoloana ny tsy fahamatoran'i Vyvato Rakotovao amin'ny fitantanana ny TIM koa asa izay hitranga rehefa dila ilay 48 ora.

Tonga ao amin'ny TIM Raharinaivo koa izany ny krizin'antoko sy fikambanana ka mety hitarika fivakisana (indray). Mipetraka eto ny fanontaniana : moa va mahatsapa ny zavatra tsy mety nataony i Vyvato Rakotovao ka hanaja tena sy hametra-pialana, sa hanaraka ny lamaodin'ny ankamaroan'ny mpanao politika, ka rehefa mba nahazo seza sy fahefana kely aloha dia midongy sehatra eo ? Manarak'izay, mampieritreritra ihany koa ny tena tian'ny Dr Emile Ratefinanahary hahatongavana. Tsy tongatonga ho azy mantsy izao fihetsiny izao, satria politika ny resaka eto. Ary fahatelo dia andrasana izay mety ho fihetsi-dRaharinaivo Andrianatoandro amin'ity ady an-trano eo amin'ny mpiaradia aminy ity. Fa na ahoana na ahoana ho fitrangany eo aloha dia mazava ny resaka eto fa misy tsy milamina ao amin'ny TIM Raharinaivo ao, ary raha ny fahitana azy dia mety mbola ho maro ny tsiambaratelo hivoaka ato ho ato. Nitsipaka an'i Marc Ravalomanana mba hahazoana toerana ry Raharinaivo sy ny tariny, araka ny filazan'ny etsy amin'ny Magro azy, rehefa samy nahazo toerana anefa izy ireo dia toa miady sy mifandramatra amin'izay, ka hita taratra fa samy miady te ho lohany. Azo sary an-tsaina sahady fa mety hampipatitaka ny TIM an-dRaharinaivo ity ady eo amin'ny CST Emile Ratefinanahary sy Vyvato Rakotovao minisitry ny fambolena taloha ity.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT