Samy naloan’ny vahoaka

> Kaleta tapi-dalan-kaleha, Yves Aimé tsy hita tabilao


  • Talata 11 Febroary 2014

Herinandro aty aorian’ny namoahan’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana ny voka-pifidianana ofisialin’ny fifidianana solombavambahoaka dia mbola resabe any Tôlagnaro sy Amboasary Atsimo ny fahalavoazan’ingahy Soja Jean André na Kaleta teo amin’ny fifidianana sy ny namalian’ny vahoaka ny vava tsy ambina nataon’i Yves Aimé ary ny henatra nahazo ny kandidan’ny MAPAR tao Tolagnaro tsy nahita rirany tamin’ny fifidianana. Malaza amin’ny fivadibadihana palitao i Kaleta.

Navelany ny maha Liaraike azy fa nilomay tany amin’ny MMM (Malagasy Miara Miainga) ny lehilahy nandritra ny fifidianana ho solombavambahoaka farany teo. Nambaran’ity mpanao politika raindahiny any amin’ny faritra Anôsy ity, nandritra ny fampielezan-kevitra fa tsy hanao politika intsony izy raha tsy lany. Tsy nampoizina anefa ny vokatra fa vehivavy no nandavo azy, dia Rtoa Angèle Solange, kandida tsy miankina. Hotazonin’i Kaleta tokoa ary ve ny teniny nilazany fa tsy hanao politika intsony izy raha tsy lany ? In-droa voa mihitsy aza i Kaleta satria nanohana an’i Dr Robinson Jean Louis izy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa, nefa tsy tafavoaka ity farany na efa nitarika tamin’ny fihodinana voalohany aza. Ny nantenaina tsy tafavoaka, izy rahateo tapi-dalan-kaleha. Any amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna na miandry ireo fifidianam-paritra toy ny lehiben’ny Faritra, filohan’ny Faritany na koa fifidianana loholona indray i Kaleta manarina raha mbola hanohy ny resaka politika ny tenany. Rakotoarison Yves Aimé indray dia lany andro eo am-piovaovana antoko, Tiako i Madagasikara avy eo Movansy Ravalomanana ary farany teo GMMR fa tsy hita tabilao mihitsy tamin’ny fifidianana raha mba nirotsaka nitsapa ny fitiavan’ny olona azy tany Tolagnaro. Marihina fa nataon’ny tsy miankina pao-droa ny toerana roa anjaran’i Tolagnaro.

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT