Politique

Samy manampahefana ambony Miharihary ny tsy fifankahazoana


  • Talata 08 Martsa 2022

Miharihary ankehitriny ny tsy fifankahazoana eo anivon’ireo manampahefana ambony mba tsy ilazana hoe ny governemanta Malagasy mihitsy .

 Raha jerena amin’ny saina malalaka sy fomba tsotra dia azo lazaina hoe resaka tsy misy dikany indray no nivoahana zava-mahamenatra na “scandale” manaraka mikasika ny fitantanana ity Madagasikara ity omaly. Resaka valizy na kitapo misy kodiarana. Nahoraka fa voarara ny mitondra izany eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisampirenena toy ny eny Ivato mba hisorohana tsy fanarahan-dalana isan-karazany. Fitondrana volamena an-tsokosoko ve? Trafikana sokatra ve? Trafikana hazo sarobidy ve? Tsy afaka hanaovan’ireo mpanao izany azy ve ny kitapo tsotra? Dia nisafotofoto teo moa ny resaka; na inona na inona fanazavana natao sy mety mbola hatao dia vaky am-batolampy izao fa misy ny tsy fifanarahana, tsy fahaizana mandrindra sy mandamina asa eo anivon’ireo tompon’andraikitra sy manampahefana ambony.Ireo anefa no mpanapa-kevitra mpanome baiko sy toromarika, ka tsy atao mahagaga raha mikorontana ny fitantanana ny firenena satria n any samy lehibe aza kay tsy mifanaraka, na misy tsy mahalala akory ny tena fanapahan-kevitra noraisina.Ary ny loza dia efa be resaka any anaty facebook, avy e ova hoe miala tsiny.Izany ve dia mba toetra mendrika ana tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT