Politique

Sambava - Be ny diso kajikajy politika Tonga Ramatoa Soaline


  • Talata 21 Desambra 2010


Tonga any Sambava tamin’ny alahady teo Ramatoa Soaline, izay solombavambahoaka Arema voafidy tany Sambava teo aloha, izay nisintaka ny toeram-ponenany noho ny raharaha 2002, ary nialokaloka tany Frantsa tany. Somary tsy dia naresaka firy ny fahatongavany, saingy hita kosa fa maro ireo olona izay nahavitany soa tany amin’ireo Kaominina manodidina any amin’iny distrikan’i Sambava iny no tonga niarahaba ity renim-pianakaviana ity tany amin’ny trano fonenany any Analamandrorofo.

Manova betsaka ny kajikajy politika any an-toerana izao fahatongavan-dRamatoa Soaline izao, indrindra ho an’ireo mpanao politika izay mihevitra ny hilatsaka hofidina, satria dia azo lazaina fa anisan’ireo kandida vaventy Ramatoa Soaline raha toa ka handray anjara amin’izay fifidianana ho avy eo. Mbola mitoetra any amin’ireo ambanivohitra maro any an-toerana mantsy ny fikambanam-behivavy izay miandany amin’ity Ramatoa ity. Mbola baraingo kosa moa na hijanona any an-toerana amin’izay, na mbola hiverina any Frantsa ity renim-pianakaviana ity. Ny azo antoka anefa, dia tanindrazany ity Madagasikara ity, ka tsy azo ferana ny handraisany andraikitra ho amin’ny fampandrosoana.
 
Rabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT