Politique

Sainam-pirenena Misy refiny tokony arahina


  • Alarobia 01 Jona 2022

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny volana jona isika manomboka anio alarobia fiandohan’ny volana izay hanamarihana ny tsingerin-taona faha-62 nahazoantsika ny fahaleovantena taorian’ny fanjanahan-tany.

Ankoatra ireo fiomanana maro samihafa dia anisan’ny tena misongadina ny fananganana ny sainam-pirenena ho an’ny isan-tokantrano izay efa betsaka ny mivarotra azy mandehandeha eny an-tsena amin’izao. Raha araka ny fanazavan’ny komity mpikarakara omaly dia tsy hataotao foana ireny sainam-pirenena ireny fa misy refiny tokony arahina. Betsaka ihany koa ny tsara ho fantatra hoy izy mba hifanaraka amin’ny haben’ny trano ny haben’izy ireny. Ho an’ny trano tsy misy rihana dia fantatra fa 30 sm amin’ny 45 sm ny refin’ny saina tokony hapetraka aminy. Raha misy rihina iray kosa ny trano dia tokony ho 75 sm amin’ny 90 sm izany raha mahatratra 90 sm amin’ny 135 sm ny refin’ny saina hatsangana raha mihoatra ny rihina roa ilay trano. Ankoatra izay dia nitondrany fanazavana ihany koa ny mikasika ny zoro telon’ny sainam-pirenena. Saika mahitsy zoro avokoa izy ireo raha araka ny fanazavan’ny komity mpikarakara ary avo roa heny amin’ny halavany ny sakany. Ny mahitsy zoro ambony miloko mena, ny mahitsy zoro ambany miloko maitso mavana toy ny ravinala izay mampalaza sy mampiavaka antsika eto Madagasikara raha miloko fotsy mangatsaka kosa ny mahitsy zoro ilany.
Pati
Legende : Misy refiny ny sainam-pirenena fa tsy hataotao foana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT