“Saika hitsoaka tany ivelany ka tratran'ny polisy teo Ivato androany ny Minisitry ny Asa tànana sy ny kolontsaina teo aloha Rtoa Vaonalaroy Randrianarisoa.
Efa nisy didy fampikarohana na “avis de recherche” sy fitoriana momba azy nipetraka hatramin'ny 2019 nataon'olon-tsotra. Fisolokiana na “Escroquerie” sy fivadiham-pitokisana na «Abus de confiance» no vesatra hiampangana azy », io no vaovao niely omaly takariva niainga tamina olon-tsotra iray, ary niparitaka tamin’ny pejim-baovao samihafa. Tsy fantatra mazava amin’ny antsipirihany ny vesatra hanenjehana azy, fa somary ambangovangony. Raha ny vaovao navoakan’ny mpanao gazety iray tamin’ny 14 septambra 2019 kosa, dia nisy resaka fivadiham-pitokisana tamina fividianana fiara raitra. Lehilahy iray « Ingénieur en Aéronautique » antsoina hoe JN C nanana fiara raitra marika Hyundai Coupe Fx 2.7 V6 Tuscani no voalaza fa nitory. Rehefa nampifandraisan’ny olona iray akaiky an-dRtoa Voanalaroy Randrianarisoa Solombavambahoaka taloha voafidy tao Brickaville sady minisitra ny Kolotsaina tamin’ny andron’ny fitondrana HVM io mantsy i JN C dia nizotra tsara ny fifandraisana,…. hoy ny vaovao tamin’izany. Rehefa nandeha teny ihany ny resaka dia nilaza izy fa tiany ilay fiara Tuscani ka vonona hividy azy 140.000.000 fmg…. Nanome « bordereau de virement » BNI tsy misy antontan’isa izy ary avy eo nanome « chèque » izy satria nihizingizina i JN C…, hoy ny ampaham-baovao tamin’izany. Tsy nisy vola anefa rehefa injay nanatona ilay banky ny tompon’ilay fiara, izany voalaza ho nanao « chèque sans provision »,… Voalaza fa naveriny ilay fiara, saingy nilaza hitory izy noho ny resaka fanalam-baraka, hoy ny fitantaran’io mpanao gazety io ny 17 septambra 2019. Raha io resaka fiara io no halalinina, toa efa karazan’ny nilamindamina raha zohiana. Andrasana noho izany ny tohiny sy ny vaovao ofisialy hoe: inona marina ny antsipirihany nisamborana ity depiote sady minisitra teo aloha ity? Mbola misy ifandraisany amin’ilay raharaha voalaza etsy ambony ve? Ny mahagaga ihany koa dia hoe: efa ny 2019 no nisy didy fampikarohana ka nahoana no 2021 nikasa hivoaka vao nosamborina? Tao anatin’ny 2 taona ve izany dia tsy hita mihitsy fa niahaka ny mpikaroka? Mpanao politika ny olona voaresaka eto ka andrasana hoe: mety hisy ifandraisany amin’ny politika ihany koa ve sa zavatra tsy misy hifandrohizany amin’izany mihitsy ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.