Tsy mbola manomboka akory dia efa mampanahy sahady ny zavatra mety hataon'ny iraky ny SADC hotarihan'ny Dr Leonardo Simao eto Madagasikara.
Efa miovaova sahady ny zava-misy. Ny alatsinainy dia nivoaka ny fanambarana ofisialy fa hoe ho avy ny talata 9 oktobra (omaly) ireto iraka ireto. Omaly talata anefa dia nisy fanambarana ofisialy iray nivoaka indray nilaza fa hahemotra amin'ny fotoana manaraka io fahatongavana io noho ny fifampiresahana teo amin'ny Sekretera mpanatanteraky ny SADC sy ny biraom-pifandraisan'ny SADC eto Antananarivo ary ny fitondrana tetezamita. Tsy nisy daty mazava navoaka kosa anefa hoe rahoviana ary no ho raikitra ihany ilay izy. Hatreto izany aloha dia sady tsy nisy ilay fanadihadiana manokana manodidina ny fahatongavan'ny filoha teo aloha, no tsy tonga ihany koa ny iraky ny SADC voalaza fa hanao tomban'ezaka ny amin'ny fanatanterahana ny tondrozotra sy hijery ny fanomanana ny fifidianana.
Mampahazo aina an'i Andry Rajoelina izany rehetra izany satria milamina amin'izay tiany atao izy, ary tsy misy mpanara-maso, tsy misy mpibedy sady tsy manao tatitra na amin'iza na amin'iza fa dia izay tiany no ataony. Ratsy ho an'i Marc Ravalomanana kosa anefa ity fihemorana lava ity satria mety ho dila ihany ilay fe-potoana tsy maintsy hahatongavany eto raha te ho kandida izy, dia izay no vita. Iza moa no mahalala raha efa paikady hanilihana azy mihitsy koa ity fanemorana daty lava ity. Tsy nisy fanampim-panazavana moa ilay fanambarana fa dia hoe ahemotra fotsiny ny fahatongavan-dry Simao noho ny fifampiresahana sy fifandaminana. Dia mihemotra manaraka izay koa izany ny fotoana mety hampivaha ny krizy e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.