Politique

Ry Badodan’i Mahajanga “Leo anao izahay prezida, mialà ianao…”


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2022

Niparitaka nandrakotra ny tambazotran-tserasera ny horonantsary fohy, nalaina tahaka tamin’ny fihetsiky ry “Badoda” na ireo tovolahy nanao teny fihantsiana tamin’ny tambajotran-tserasera,

fa endrika politika kosa no nanehoana azy tamin’ity indray mitoraka ity. Andian-jatovo, lehilahy maromao nanao saron-tava, manao t-shirt tamin’ny propagandy nahitana sarin’ny kandida Ravalomanana, sarin’ny kandida Rajaonarimampianina, ary sarin’ny Kandida Rajoelina no nitondra hafatra hafakely. “Leo anao izay tanoran’I Mahajanga Atoa Filoha, leo ny fitapitaka nataonao. Manomboka androany, amin’izao andro itenenanay androany izao, izahay tsy mila anao miteniteny intsony amin’ity firenena ity. Ianao mpamita-bahoaka, prezida lany tamin’ny fangalaram-bato, manomboka androany dia rafilahinao izahay. Porofoinay eto androany fa tsy ilanay ianao. Miala ianao prezida, ianao tsy ilainay”, hoy izy ireo. Notsoahin’ilay lehilahy nanao ny T-shirt Andry Rajoelina noho ilay fanamiana misy ny sarin’ny Filoha ankehitriny, norarahan’izy ireo lasantsy, ary dia nodoran’izy ireo sady mbola narahina teny hoe: “miala ianao prezida, ianao tsy ilainay”. Hafatra mafonja, ary misy dikany goavana ireny. Endrika iray maneho fa misy ny olona tofoka amin’ity Fanjakana ity, na voizin’ireo mpitondra aza fa matoa ny olona tsy midina an-dalambe dia resy lahatra amin’ny ezaka sy fampandrosoana entin’ny Fitondrana. Tsy afaka ny hidina an-dalambe satria hiantrana ny basy aman-tafondro, ka dia fomba hafa no hanehoan’ny olona izany, fihetsika izay efa fahita any ivelany rehefa tsy faly amin’ny mpitondra ny olona. Taorian’ny fihetsika ankihiben-tanana nidina na “pousse inverse” nisamborana ilay lehilahy teny amin’ny By Pass, dia fihetsika hafa kely maneho tsy fahafaliana amin’ny fitondrana indray ity nation-dry Badodan’I Mahajanga ity. Matoa nisaron-tava ireo zatovo, mety misy ihany ny tahotra amin’ny mety ho fisamborana. Hokarohina sy holazaina fa maniratsira ny Filoham-pirenena ve izy ireo?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT