Politique

Rtoa Yvette Sylla Mitaky ny hampodiana an-dRavalo


  • Alarobia 24 Oktobra 2012

Mbola hisy fotoana hiresahako manokana aminareo mpanao gazety mikasika ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny sy ny Malagasy Mandroso tarihako tsy ho ela, hoy Rtoa Yvette Sylla, fa ny azo ambara fohy aloha anio dia ny mikasika ny fampihavanam-pirenena izay amiko dia tsy vitan'ny famoahana lalàna fotsiny io, fa voalohany dia zava-dehibe ny fahatsoram-po... bitsiky ny fo izany.

 Asa mivaingana ihany koa no takian’izany fa tsy vitan-dresaka fotsiny. Araka izany dia raha miresaka an’ity fampihavanam-pirenena ity dia tokony tsy hihatsaravelatsihy fa hanatanteraka ny andininy faha- 20 ao amin’ny tondrozotra raha mbola miasa izy io. Ajanony ny resabe, aoka tsy hanafin-javatra, sahia miatrika ny zava-misy, sahia mahitsy amin'ny zavatra atao, hoy izy, fa mila fangaraharana ny zavatra rehetra. Raha tsy misy amnistia ho an-dRavalomanana dia tsy hisy izany fampihavanam-pirenena izany fa resaka adala fotsiny. Tsy misy afaka manakana olona iray tsy hiverina amin'ny taniny. Izany anefa tsy midika fa tsy azo ampiharina aminy ny lalàna.

Hisy fifamelana ve, hoy ny fanontanian’ity mpanao politika ity. Ireo sangany eto amintsika no tena mila mihavana sy mifamela heloka. Ny vahoaka madinika any rehetra any tsy misy miady izany fa mifandray tsara avokoa. Olana eo amin'ny tsy fahampian'ny serasera no misy. Ny tadiavin'ny vahoaka izao dia ny fifidianana saingy tsy amin'ny fotoana misahotaka tahaka izao. Ny any Atsimo aza mbola anjakan'ny fifamonoan'ny samy Malagasy, valifaty amin'ny samy mpianakavy sy ny samy Foko io. Fikomian’ny vahoaka sy ny tantsaha no any, hoy Rtoa Yvette Sylla. Raha izao no mitohy dia tsy maintsy ho tonga amin'ny ady an-trano isika.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT