Nitafa tamin’ny mpanao gazety Toamasina, omaly, Rtoa Randrianarisoa Vaonalarohy (Mme Lala), izay lany ho depiote raha ny tarehimarika navoakan’ny CENI-T farany teo, nilazany ny fahitany ny toe-draharaha politika sy ny antom-pirotsahany ho solombavambahoaka ary ny fampandrosoana entiny ho an’i Brickaville nahalany azy.
. “Famadihana ny fitokisan’ny vahoaka izany olona nofidian’ny vahoaka mivantana manao olom-boatendry ho lasa minisitra izany. Ny ho mpitondra tenin’ny vahoaka no nifidianan’izy ireo ahy ka nahatonga maro azy ireo nifidy, ka mendrika hohajaina izany”, hoy Mme Lala manoloana ireo depiote miady ho minisitra sy ho praiminisitra. Mpahay lalàna ny tenany. Nanangana ny fikambanana “Mpirahalahy mianala” izy, ka anisan’ny tanjona napetrany ihany koa ny miralenta sy fampandraisana andraikitra ny vehivavy amin’ny raharaham-pirenena. Toky nataony tamin’ny vahoakan’i Brickaville nandritra ny fampielezan-kevitra ny fanokafana sy fampihodinana indray ny orinasa Sirama. Nomarihany koa fa afaka miara-miasa amin’ny ankololafy sy antoko ary fikambanana politika rehetra ny tenany ho fampandrosoana an’i Brickaville sy ny firenena iombonana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.