Naneho ny heviny mahakasika ny fanarenana ny rovan’i Manjakamiadana na ny Rovan’Antananarivo kasain’ny fitondram-panjakana ankehitriny hatao Ny Andriana Robert, mpitazona ny hasim-piandrianan’Imerina, omaly. Nambarany fa tsy antony ara-drazana na ara-pomba akory no nandoran’ny sasany ity rova iray ity fa noho resa-politika.
Izay hoy izy no antony tsy nahavitan’ireo mpitondra teo aloha nanarina ny rova satria tsy mitovy ny politika nampiharin’ny sasany nandorana azy sy ny politika nampiasaina nanarenana azy. Nomarihiny manokana fa na tsy araka ny baikon’ny mpanjaka tamin’izany fotoana aza no hanarenana ny rovan’i Manjakamiadana satria efa entin’ny fanjakana Repoblikana isika dia tokony hirindra foana satria efa ny vahoaka ankehitriny no andriamanjaka. Nisy moa omaly ny fitsidihana ny rova notanterahin’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera mikasika izay fanarenana hatao aminy izay.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.