Politique

Roso ho an’ny demokrasia sosialy Manameloka ireo mikasa hampisara-bazana


  • Alakamisy 31 Martsa 2022

Ny fitiavan-tanindrazana, izany hoe fitsinjovana antsika taranaka, no fototra nahatonga ireo raiamandreny hahafoy aina, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Roso ho an’ny demokrasia sosialy na RDS nahatsiaro ny faha 75 taonan’ny hetsika niseho ny 29 martsa 1947.

 Efa vita ny azy fa isika dia tompon’adidy mba hanome “hasina” izany ra latsaka sy aina nafoy izany amin’ny alalan’ny fifankatiavana sy firaisankina. Tsy nisy nivoy fisarahana mihitsy izy ireo ary nampiseho fiombonana am-po. Ho fanomezam-boninahitra sy ho fahatsiarovana azy ireo, 75 taona aty aoriana, ny Roso ho an’ny demokrasia sosialy dia mihevitra fa toa azy ireo, ny tsirairay no miroso amin’ny fanavotam-pirenena. Mahafoy ny aminy ho an’ny firenena. Tsy ianteherana amin’ny hafa izany, tsy iandrasana mpitondra, noho ny fo sy fitiavana ny taniny sy ny taranany. Mino fa tsy fihetsiketsehana marevaka no sitrak’ireo raiamandrenintsika ireo anio raha teo izy fa fo mitempo fitiavana, fo madio, fo entanim-pinoana tsy azo ahontsana fa ho avotry ny firenena ary tsy avy amin’ny vahiny fa noho ny ataon’ny zanany. Manameloka ireo mahasahy manao ratsy eto amin’ny firenena amin’ny alalan’ny halatra, ny fanararaotam-pahefana, ny fanararaotana ny fahantrana sy ny tsy fahalalana ireo mikasa ny hampisara-bazana ny samy Malagasy. Mampahatsiaro fa ny soatoavina Malagasy dia ny “fanahy” no maha olona fa tsy volamena na harena mihoam-pampana. Fepetra takiana amin’ny rehetra izany, indrindra, manoloana ny sedra sy ny fanamby tsy maintsy atrehina ankehitriny ho fampandrosoana an’I Madagasikara, hoy hatrany ny RDS.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny RDS, Fetison Rakoto Andrianirina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT