Politique

Romule Andriamanantenasoa “Mety ho sarotsarotra ny 2023 raha miala ny MMM”


  • Talata 08 Martsa 2022

Somary niakatra ny filoha Hajo Andrianainarivelo satria somary hafahafa fihetsika ny antoko politika TGV, hoy ny mpikambana eo anivon’ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM,

Romule Andriamanantenasoa, ao anaty fiaraha-mitantana ny firenena. Mitady hanilika ny antoko matanjaka dia ny MMM ry zareo nefa samy nanohana izao fitondrana izao, hoy izy. Mampitandrina ny filoha Hajo hoe aoka mba ovaina ny fomba fanao tsy nety hatramin’izay satria manimba ny fiaraha-miasa. Efa sahirana ny vahoaka. Mbola asiana zavatra miteraka lonilony anaty fitondrana dia lasa miteraka zavatra hafa avy eo. Ny mpanohitra koa efa miandry fotsiny. Sioka tokana io dia rava ny tsena. Mila mitandrina ny fitondrana satria misy mamahan-dalitra ny filoham-pirenena ao ary samy manao izay saim-pantany ny aty ambany. Ny ekipanao ihany no manilika ny tokony hanohana anao. Mety ho sarotsarotra ny fifidianana amin’ny 2023 raha miala amin’io fitondrana io ny MMM. Na ireo mpikambana TGV koa aza efa mampaneno lakolosy hoe mba jereo izay mahasoa ny firenena, hoy hatrany ny tenany, fa tsy ny MMM ihany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT