Politique

Romule A. Mpikamban’ny MMM “Sioka tokana io dia rava ny tsena”


  • Alakamisy 10 Martsa 2022

Somary niakatra ny filoha Hajo Andrianainarivelo satria somary hafahafa fihetsika ny antoko politika TGV, hoy ny mpikambana eo anivon’ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM, Romule Andriamanantenasoa.

 Ao anaty fiaraha-mitantana ny firenena. Mitady hanilika ny antoko matanjaka dia ny MMM ry zareo nefa samy nanohana izao fitondrana izao, hoy izy. Mampitandrina ny filoha Hajo hoe aoka mba ovaina ny fomba fanao tsy nety hatramin’izay satria manimba ny fiaraha-miasa. Efa sahirana ny vahoaka. Mbola asiana zavatra miteraka lonilony anaty fitondrana dia lasa miteraka zavatra hafa avy eo. Ny mpanohitra koa efa miandry fotsiny. Sioka tokana io dia rava ny tsena. Mila mitandrina ny fitondrana satria misy mamahan-dalitra ny filoham-pirenena ao ary samy manao izay saim-pantany ny aty ambany. Ny ekipanao ihany no manilika ny tokony hanohana anao. Mety ho sarotsarotra ny fifidianana amin’ny 2023 raha miala amin’io fitondrana io ny MMM. Na ireo mpikambana TGV koa aza efa mampaneno lakolosy hoe mba jereo izay mahasoa ny firenena, hoy hatrany ny tenany, fa tsy ny MMM ihany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT