Tokony ho ao anatin’ny fifanajana ny asa fanaovan-gazety, ary ny zavatra marina no ambara, hoy I Andry Rajoelina omaly.
Nambarany, fa tsy misy mpanao gazety migadra noho ny asa fanaovan-gazety izany. “Izaho mihitsy no niteny tamin’ny kabariko hoe ireto mpanao gazety ireto havoaka”, hoy izy, izay nampahatsiahy ny raharaha herintaona mahery izay momba ny nampidirana am-ponja Azo nosorohana anefa izany, saingy rehefa dinihina, dia karazan’ny nataon’ny Fanjakana nakana teboka miabo ho azy hoe: tso-po sy mahay mamela heloka ny Filoha, ka namotsotra azy ireny. Rehefa halalinina kosa, dia misy ihany ny hoe: “manipulation de masse”, na karazana filalaovana ny sain’ny daholobe satria azo natao tsara ny tsy nanagadra olona, fa teto dia namorona olana, avy eo mitondra vahaolana, dia toy ny hoe Mesia mpanavotra, kanefa tsy tena nisy zavatra niova. Misy ny mpanao gazety enjehina ary miafina amin’izao. “Matoa misy olona miafina any, dia misy zavatra atahorany. Tsy izao fitondram-panjakana izao mihitsy no manenjika mpanao gazety sanatria. Tsy ao anatin’ny fanaovan-gazety intsony ny hoe: “dimy ny fanonganam-panjakana nataoko, ary hiditra amin’ny fanineniny, niantso ny zandary tsy handray baiko amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, nilaza fa ny Al-Qaïda no mamatsy ny 8 miliara hanaovana ny PEM”, hoy kosa ny Minisitry ny serasera. Ny Minisitra teo aloha Atoa Vonison Andrainjato no tiany hasiana amin’io, izay raha halalinina, dia hitohy ny fanenjehana azy, tondroina ho mialokaloka amin’ny asa fanaovan-gazety. Tsy voatonona ihany koa ny anaran’ny Minisitry ny serasera teo aloha Atoa Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia, izay any am-ponja ary voalaza fa marary mafy, saingy izy no tiana horesahina. Nambara hatrany fa tsy misy mpanao gazety nigadra noho ny asa fanaovan-gazety. Tsy manitsakitsaka ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana ny Fanjakana, hoy ny valin-kavatra. Midika izany fa tsy ho afa-bela aloha hatreto ireo Minisitra teo aloha roalahy ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.