Fanamparam-pahefana tsotri’zao ny fanapahan-kevitry ny ampidirana am-ponja, raha ny nambaran’ny Antoko HVM tetsy amin’ny foibeny tetsy Andraharo omaly.
Tsy miditra amin’ny raharaham-pitsarana izaahy, kanefa marary anay anaty ny maheno ny nanagadrana ny Minisitry Rolly Mercia 44 volana any am-ponja, hoy ny Antoko HVM tamin’ny alalan’ny Filoha Nasionaliny sady Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao. Tsy trano nianjera, tsy basy nipoaka, tsy sanatria olona maty, ka aleo isika mianankavy no hitsara, fa aminay izany dia mifandray amin’ny halako bika tsy tiako tarehy, ka izay manelingelina ahy eo amin’ny fahefako dia potehiko satria izaho no manam-pahefana, hoy izy. Ankoatra izany, dia nanamafy I Rivo Rakotovao fa fanamparam-pahefana ny fangejana ny tetibolan’ny antenimierandoholona, izay efa voasoratra anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, ary efa nandalo sy nahazo fankatoavana teo amin’ny HCC. Hay ve tsy marina ny filazana fa ny antenimierandoholona no horavana sy velirano fa ilay olona no tsy tiana. Ny olon’ny fitondrana dia mirotsaka ho loholona, izany hoe tsy ilay rafitra izany no olana fa ny mahita ilay olona ao. Ny eritreretina, dia hoe tsy hirotsaka ny olon’ny fitondrana satria mandany vola. Miharihary ny halako bika tsy tsy tiako tarehy. Tsy mahazaka mpiray tanindrazana ny Filoham-pirenena amin’ny olona tsy mitovy firehana aminy dia mampihantra an’izany amin’ny fahefana hoentina hanapotehana ny olona tsy mitovy hevitra amin’ny tena, hoy I Rivo Rakotovao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.