Politique

Rolly higadra 44 volana Efa mamoy fo ny fianankaviany


  • Zoma 16 Oktobra 2020

Nohelohin’ny fitsarana higadra an-tranomaizina 44 volana na 3 taona sy tapany tahaka an’I Berija Ravelomanantsoa I Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia Minisitry ny serasera teo aloha, araka ny didim-pitsarana nivoaka omaly 15 oktobra 2020.

 

Tsikombakomba tamina fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana, tsikombakomba tamin’ny fanakorontanana ny filaminam-bahoaka, tsikombakomba tamin’ny fiantsoana ny olona hankahala fitondrana no voalaza fa vesatra nampidoboka azy.  Mitovy amin’ny sazy azony ihany ny an’ireo 4 hafa voarohirohy niaraka taminy. Tsiahivina fa ny 16 jolay no nosamborina teny amin’ny trano fonenany teny Ambolokandrina ity Minisitra teo aloha ity, rehefa nolazain’ny iray tamin’ireo mpitarika fihetsiketsehana nitaky ny famoahana an’i Berija Ravelomanantsoa any am-ponja ny 13 jolay ho mpaniraka sy mpamatsy vola ny fihetsiketsehana.  Nilaza i Rolly Rolly Mercia nandritra ny fitsarana azy ny 14 oktobra teo, fa manana radio ahafahany maneho hevitra, ka tsy hitarika olona ho eny an-dalambe. Nilaza ny anabavin’I Berija Ravelomanantsoa, fa tsy nisy nidiran’I Rolly Mercia ny raharaha. Ilay lehilahy iray antsoina hoe Felicien iray amin’ireo nenjehina no nanondro azy, saingy nilaza teo anatrehan’ny Fitsarana fa tsy nahita mivantana an’I Rolly Mercia nametraka ny vola, fa ny vola 1 000 000Ar no hitany. Tsikaritra ny tsindry ara-politika, ary toa efa voakajikajin’ny Fitondrana Rajoelina ny sazy 44 volana, izany hoe aorian’ny fahavitan’ny fifidianana Filoham-pirenena 2023 vao ho afaka ry Berija sy Rolly Mercia, raha tsy misy ny fiovan-javatra eny am-pandehanana.

 

MANAHY NY AINY NY HAVANY

Ranomaso havozona no nandraisan’ny fianankaviany ny didy omaly. “Fanendrikndrehana tsy misy porofo, mahahelo izahay fianankaviana sady tezitra satria mazava be fa tsy nitombina mihitsy ny fanonanana ny anaran’ny rainay ao anatin’ilay raharaha. Izay no didy ahafahana managadra olona 44 volana. Tsy misy porofo mihitsy nentin’ilay Felicien nanononana ny anaran’ny raiko. Mety hoe ny fatin’ny rainay no ho raisinay any ato ho ato noho ny tsy fahasalamany, tsy maninona, fa aleo Andriamanitra no hamaly. Tsy ekenay ny didy, fa izahay moa iza no afaka handidy ny fitsarana”, hoy ny hoy ny zanaky Rolly Mercia vavy.  Tsy afa-po dtamin’ny didy, ary resy lahatra aho fa tsy misy hidirany io raharaha io, hoy kosa ny mpisolovava Eric Rafidison, ka nilazany fa hampiakatra ny raharaha any amin’ny Fitsarana ambony izy sy ny fianakaviana.

Toky R

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT