Politique

Roland Ratsiraka “Tsy te haloto miaraka amin’ireo aho


  • Zoma 12 Oktobra 2012


 Tia Tanindrazana (TT) : Tsy mahazatra ny mahita anao aty Antsirabe, ny antony ?

Roland Ratsiraka (RR) : Fihaonana amin’ireo mpikambana MTS Vakinankaratra amin’izao, ary dinika ho fampahafantarana ireo soatoavina 12 mampiavaka ny antoko. Fihavanana, ny firaisankina, Fanajana ny hetahetan’ny vahoaka ny fanazavana ny tanjona ho an’ny firenena satria matetika ny olona tongatonga ho azy eo amin’ny fitondrana dia tsy fantany akory izay hitondrana ny firenena satria ho anay ny ahatongavana eo amin’ny toerana dia hanompo ny vahoaka fa misy ny sasany lasa laharam-pahamehana ny didy jadona sy ny fangoronan-karena ary ny ampihi-mamba. Tsy nety ohatra ny teo aloha nefa ny amin’izao dia manana kolontsaina ratsy lavitra noho ny teo indray.

T.T : Hanao ahoana, araka izany, ny hoavin’i Madagasikara ?
R.R : Manankarena isika ary niangaran’Andriamanitra amin’ny ireo harena ankibon’ny tany sy harena voajanahary izay azo lazaina fa isika no tompony. Maninona anefa isika no tsy afaka mampandroso ny mponina ao amintsika ? Tsy vitantsika ny manome asa ny vahoaka, misy olona mbola miasa nefa sahirana. Raha mbola mikorontana ny tany dia tsy hisy toekarena ho vanona.

T.T : Re fa ho any Frantsa ianao, tena tsy maintsy any ve no lalana ?
R.R : Mila olona azo antoka ny mpandraharaha ka i Frantsa no akaiky antsika amin’ny resaka ara-barotra satria raha hitady mpandraharaha hafa any Chine isika na any Etazonia dia ho mbola sarotra izany.

T.T : Mahabe resaka ity Filankevitra momba ny fampihavanam-pirenena ity ?
R.R : Mampihomehy ahy mihitsy ny miteny momba an’izany. Tsy vao androany no niresahana izany fa efa hatramin’ny taona 2009. Tsy afaka hanantena aho fa ireo olona ireo no hahavita azy. Atao ahoana ny hitoky amin’ny olona milaza fa hampihavana kanefa misambotra olona any ambadika any.

T.T : Ianao filoha lefitry ny CST, tsy mahatsiaro tafiditra ihany ve ianao amin’ny gaboraraka sy fangoronan-karena ataon’ny mpitondra amin’izao fotoana ?
R.R : Izay no nahatonga ahy nihataka kely. Mijere ianareo sary na vaovao raha mahita ahy miaraka amin’ireo milaza ho mpitantana ankehitriny, indrindra ny filoha. Nisy, ohatra, ny fitokanana goavana natao tao Toamasina, kanefa tsy nanatrika izany ny tenako noho ny tsy fifanajana misy. Tsy maintsy manao izany aho satria tsy te haloto hiaraka amin’ireo fa te hijoro hiaraka amin’ny maro. Tsy afaka ny hiteny aho hoe miala ianareo mpitondra fa dia anjaran’ny Malagasy no mijery ny ataon’ny rehetra ka ny fifidianana ihany no mamaly azy dia samy hotsarain’ny ataony eo.

T.T : Matoky ve ianao fa ho tanteraka ny fifidianana amin’ny taona ho avy ?
R.R : Tsy maitsy hisy ny fifidianana na oviana na oviana ary hanova zavatra maro izany.

T.T : Ho kandida filoham-pirenena ve ianao amin’ny taona 2013 ?
R.R : Tongava miatrika ny kongresinay amin’ny 28 novambra dia any ianao mahita azy !

Nangonin’i Caïus Raharison

Sary : Roland Ratsiraka tao Antsirabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT