Politique

Roland Ratsiraka “Tsy mbola nisy Filoha mpandainga ohatran’io teto…”


  • Alatsinainy 15 Novambra 2021

Nanomboka 1998 aho no nanao politika, nirotsaka depiote tao Toamasina, fa mbola tsy nahita aho hoe: nisy grevy toy izao na iza na iza no nitondra, taminao nitondra tsy nahita grevy toa io aho, hoy izy mantsy an’I Marc Ravalomanana, fa izao isan-kerinandro.

 Lasa kolontsaina ilay hoe manaova grevy dia azonao ny valin-kasasaranao. Notsiahiny ny fivoizana hoe: aza mividy vaksiny fa ity misy tavoahangina tambavy, misy solombavambahoaka IRD misotro tambavy dia maty. Filoham-pirenena izany tsy manao “promotion” ana tambavy no asany, fa mbola ampianarina azy ny asany, hoy i Roland Ratsiraka. Nahitsy ity olom-boafidy ity nilaza fa Filohan’ny vahoaka Malagasy fa tsy Filohan’antoko, ary tsy hanao bizinesy no ilàna azy eo na hangoron-karena fa hampanan-karena ny vahoaka Malagasy. Ny tribonaly ankehitriny aza, hoy izy, lokoina “orange” na volomboasary! Nambarany fa betsaka ny Filoha nitondra teto, fa tsy nisy tribonaly miloko mena lokon’ny Arema izany, tsy nisy lokon’ny TIM, tsisy tribonaly mangamanga izany, ankehitriny “orange”, kanefa fitsarana izany tsy tokony hitanila sy loko politika. “Voalohany izy raha serasera, tao anatin’ny 60 taona, tsy mbola nahita aho Filoham-pirenena mahay mandainga ohatran’ny Filoham-pirenena ankehitriny. Tena matihanina amin’ny fandaingana”, hoy izy. Ohatra iray, handeha hijery ny làlam-pirenena faha-2 tonga ny angidim-by roa ao Toamasina,… Miditra ao anaty fiara, alaina sary fa hoe: handeha amin’ny RN2 izany. Vita ny sary, mivoaka ny fiara dia lasa mandeha angidim-by. Tsy vitan’izany ihany, fa hoe amboarina ny làlana, eo daholo ny “engins”, hay nalaina sary fotsiny, hoy izy. Nambarany ny fisiana sehoseho ivelany, toy ny tany Sambava feno olona, ohatran’ny hoe milamina be ny lavanila, kanefa ampihimamba no tena mandeha. Ny “litchi”, lavanila, jirofo,… hanaovana ampihimamba, fanadiovam-bola. Ankoatra io, 500 000ha isan-taona ny hazo tapahana eto, tsy mandroso isika, tsy mbola nisy famotehana tahaka izao tao anatin’ny 60 taona. Ny Air Madagascar, ry zareo ihany no nampiditra ilay fiaramanidina A340, io fiaramanidina io mihinana angovo be, nanofa fiaramanidina,… hoy ity depiote ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT