Naneho ny heviny mikasika ny hetsika nataon’ny vondron’olona mpikambana ao amin’ny “Tsy misy miala aketo niany” ao Toamasina i Roland Ratsiraka, filohan’ny Malagasy Tonga Saina na MTS.
Nambarany fa efa diso mavesatra ho an’ny olona loatra ity krizy lavareny lalovan’ny firenena ity, ka izany no anton’ireny. Tokony hirosoana haingana araka ny fotoana nifanarahana hoy ny filohan’ny MTS noho izany ny fifidianana izay voatondro hatao ny 08 mey taona 2013 ho avy io. Ny mahavariana anefa, hoy i Roland Ratsiraka dia vao andro vitsy lasa izay vao nanome vola mitentina 3 tapitrisa dolara ny fitondrana tetezana hikarakarana ny fifidianana nefa manam-bola hanaovana zavatra hafa hatrany. Ny hikarakara fifidianana anefa no laharampahamehan’ny tetezamita saingy toa tsy dia raharahain’izy ireo loatra izany andraikiny izany. Nambaran-dRoland Ratsiraka moa fa antony mampitroatra ny vahoaka ireo rehetra ireo.
Tonga nitsidika ny teny amin’ny faritra Atsimondrano teny ny tenany ny faran’ny herinandro teo, nizara ny fotokeviny miorina amin’ny fiarovana ny soatoavina Repoblikana sy ny soatoavina Malagasy. Lohalaharana amin’izany ny firaisankina sy ny fihavanana izay nambaran’ity filohan’ny MTS ity fa mihapotika tanteraka tato anatin’ny taona vitsy monja izao. Ankoatra izay dia maro ny olana ara-tsosialy mianjady amin’ny vahoaka toy ny tsy fananana asa ohatra, antony nanosika ny MTS hanao zavatra teny amin’iny Distrika ity toy ny fanomezana asa ireo olona sahirana marobe, ny fitadiavana zezika mora hahafahan’ireo tantsaha mamokatra araka ny tokony ho izy, ny fikarakarana ny tanora amin’ny fanomezana “maillot” sy baolina mba hahafahana mampiroborobo ny fanatanjahantena…
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.