Politique

Roland Ratsiraka Te hanasongadin-tena


  • Alatsinainy 20 Desambra 2010

Namory vahoaka tao amin’ny «bord» Mahajanga omaly tolakandro i Roland Ratsiraka, filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sady filoha nasionalin’ny antoko Malagasy Tonga Saina (MTS).

Tafiditra amin’ny hetsika, «Fihavanana Tour», ity famoriam-bahoaka ity. Vory maro ny olona, nandahatra an’ilay mpanakanto Tsiliva teny an-tsehatra rahateo ny MTS, ka tsy atao mahagaga ny amin’io. Tamin’ny fandraisam-pitenenana nataony no nanaovany teny miantefa amin’ny mpitondra ankehitriny mba hanao mangarahara ny raharaham-pirenena. Mangataka ny hanokafana ny governamanta amin’ny ankolafy rehetra koa ny MTS amin’ny fananganana governamantan’ny firaisam-pirenena. Nanisy teny mikasika ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana ihany koa i Roland Ratsiraka, ka nilazany fa tsy maintsy tsaraina izy raha miverina eto. Ankoatra izay dia nampanantena ny hanangana tahiry manokana hanampiana ireo tanora manana tetikasa, ka hisy vaomiera handinika ny tetikasan’ireny tanora azo vatsiana vola ireny. Kabary politika toa mamendrofendro ny tao an-drenivohitr’i Boeny ny azy. Ankilany toa manindrotsindrona ankolaka ny fitondrana FAT, izay tsy azony ialana satria dia anisan’ny mpitondra ihany koa izy, andaniny indray anefa toa te hanasongadina tena miohatra amin’ireo mpiara-dia aminy eo anivon’ny Escopol. Ity farany rahateo manomboka mipatitaka.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT