Mangataka ny fitondram-panjakana, i Roland Ratsiraka, depioten'i Toamasina mba ho sokafana amin’izay ny zotra anatiny rehetra toy ny RN2 sy RN5 ary ny zotram-piaramanidina anatiny manomboka amin’ity alatsinainy ity.
Ny takian’ny rehetra, indrindra, ny mpizahantany dia ny hisian’ny fanampiana ireo miasa ao anatin’izany. Mba tsy handoa hetra sy haba aloha ireo. Ny sehatry ny fizahantany no tena voa mafy manerana izao tontolo izao. Tsy maintsy mitohy ny toekarena fa zava-dehibe ambonin’ny rehetra io. Enga anie mba tsy hisy Coronavirus intsony amin’ny volana Jona, hoy hatrany ny tenany. Olona miisa 13 no fantatra fa marary ny COVID 19 any amin’ny hopitaly ho an’ny eto Toamasina ankehitriny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.